Asan' ny Apôstôly apôkrifa na Asa apôkrifa no ilazana ireo boky mitondra ny anarana hoe "Asa" nefa tsy voaray ko kanôna ao amin' ny Baiboly. Naka tahaka ny anaran' ny Asan' ny Apôstôly ny mpanoratra azy ireo. Karazana literatiora tamin' ny fiantombohan' ny fielezan’ ny fivavahana kristiana izay mitantara ny fiainana sy ny asan' ireo mpianatr' i Jesoa Kristy ireo boky ireo. Na dia tsy kanônika aza izy ireo dia ahafahana mamantatra ny amin' ny asa fitoriana ny filazantsara tany amin' ireo vahoaka hafa ivelan' ny voalaza ao amin' ny boky kanônika ao amin’ ny Testamenta Vaovao. Ilay antsoina hoe Asan' ny Apôstôly – izay mikasika indrindra ny asa fitoriana nataon' i Petera (na Piera) sy i Joany (na Jaona) ary i Paoly sady eken' ny mpandinika maro fa tohin' ny Filazantsaran' i Lioka izay samy nosoratana ho an' i Teôfilo sady amin' ny fomba fanoratra mitovy – no boky mitovy sokajy amin' izy ireo ao amin' ny Baiboly kristiana.

Lisitr' ireo Asa apôkrifa hanova

Ireto misy ohatra amin' ireo boky ireo:

Jereo koa hanova