Asa an-tery vozona

Ny asa an-tery vozona dia sazin' ny olona migadra ampanaovina asa tsy maintsy atao, izay matetika sazin' ny olona nanao heloka tsotra na heloka bevava. Mbola maro ny firenena mampihatra ny asa an-tery vozona. Ny asa atao amin' izany dia mety ho fanamboaran-dalana na asa mafy hafa. Any Etazonia, ny olona voaheloka hanao asa an-tery vozona dia mitondra fanamiana misoritsoritra volombatolalaka sy fotsy, izay tena fantatra ankehitriny.

Afrô-amerikana voaheloka hanao asa an-tery vozona tao South Carolina, any Etazonia, tamin' ny taona 1934.

Ny Fifanarahana fahatelo tao Geneva tamin' ny taona 1949 dia mandrara ny fampanaovana asa an-tery vozona ny gadra amin' ny ady (izay manitatra izay voalaza ao amin' ny Fifanarahana tamin' ny taona 1929), raha tsy mifamatotra manokana amin' ny fitazomana azy am-ponja izany. Ny Fifanarahana fahefatra tamin' ny taona 1949 dia mampihatra ny fandrarana amin' ny vahoaka tsotra (tsy miaramila) monina amin' ny faritra voabodo amin' ny fotoan' ny ady.