I Arsaka I dia lohan' ny vahoaka skitiana tao Parny, sady mpanorina ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) arsakida. Niakatra teo amin' ny fitondrana an' i Partia izy tamin' ny taona 238 tal. J.K. ka izany no niantombohan' ny Empira Partiana izay niitatra sy nandreraka ny fanjakana seleokida. Atao hoe Ἀρσάκης / Arsakês izy amin' ny teny grika, fa ارشک / Aršak izy amin' ny teny persàna.

Vola maneho ny sarin' i Arsàka I

Zanak' i Priapata izy (Phriapatios amin' ny teny grika). Miaramila tsotra tao amin' ny tafik' i Antiôkôsy II izy tamin' ny voalohany. Tamin' ny taona 238 tal. J.K. dia resiny ilay satrapa (solontenam-panjakana na governora) Andragôrasy (grika: Ανδραγόρας / Andragoras) izay nanararaotra ny ady faharoa tao Siria mba hanafaka ny Seleokida tamin' ny taona 255 tal. J.K. Nalainy avy eo i Partia sy i Hirkania. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe mpanjaka izy ka nanao an' i Hekatômpilôsy (grika: Εκατόμπυλος / Ekantopulos) ho renivohiny, dia ilay tanàna atao hoe Shahr-e Qumis ao Iràna ankehitriny. Araka an' ilay mpahay tantara rômana Jostino (latina: Marcus Junianus Justinus) dia nandimby azy tamin' ny taona 211 hatramin' ny taona 191 tal. J.K. ny zanany lahy atao hoe Arsaka II Artabàna I, nefa araka an' ilay mpanoratra grika Arianôsy (grika: Ἀρριανός / Arrianos) dia ny rahalahiny Tridata I (teny partiana: Tīridāt) izay niara nanapaka taminy no nandimby azy tamin' ny taona 248 hatramin' ny 217 tal. J.K.