Antom-pisian'ny olona

Ny antom-pisian’ny olona dia izay fanontaniana filôzôfika mikasika ny antony isian’ny olona ary ny tanjon’ny fiainany. Maro ny fanontaniana no manazava ity hevitra ity, ohatra “Maninona eto an-tany isika?”, “Inona ny tanjon’ny fiainantsika?” ary “Inona ny dikan’ny zavatra rehetra?”. Hatramin’ny fanombohan’ny tantaran’izao tontolo izao dia naminany ny amin’ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny filôzôfia, ny siansa, sy ny teolojia foana ny olombelona. Manavaka be ny rijan-kevitra (teoria) arakaraky ny kolontsaina sy fiheran-kevitra ny olombelona.

D'où venons-nous? Que sommes-nous? Où allons-nous?
Mpanao-kanto : Paul Gauguin, Taona 1897-1898

Matetika ny antom-pisian’ny olona amin’ny alalan’ny filôzôfia sy ny finoana dia manazava sy miresaka ny fisiana, ny fihavanana, sy ny fifaliana ary mikasika ny fitsipi-pitondrantena, izay tena izy, tsara sy ratsy, anjara sy lahatra, famaritana an' Andriamanitra, fisian'Andriamanitra, ny fanahy, sy ny fiainana any ankoatra. Ny siantifika dia tsy manandrana manazava hoe “maninona?” fa “ahoana?” no tonga teto an-tany ny olombelona sy ny fiandohany. Araka azy ireo, raha azon’ny olombelona ny fototry ny fisiany dia azo atao ny miara-midinidinika ny amin’ny antom-pisian’ny olombelona. Amin’ny fijery maha olombelona dia manontany hoe “Inona ny anton’ny fiainako” noho izany dia afaka mikaroka ny fifaliany avy ny tsirairay.