Antiokosy I Sotera

I Antiokosy I Sotera dia mpanjakan'i Siria tamin'ny taona 280 tal. J.K. hatramin'ny taona 262/261 tal. J.K. Izy no mpanjaka seleokida faharoa, zanak'i Seleokosy I Nikatora, ilay jeneraly nandimby an'i Aleksandra Lehibe.

I Antiokosy I sy i Stratonike, sary nataon'i Jacques-Louis David, 1774.

Teraka tamin'ny taona 324 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 261 tal.J.K. I Apama no reniny. Nambady ny vady navelan-drany izy, dia i Stratonike I, ka niteraka an'i Antiokosy II Teosy sy i Stratonike II.

Niady tamin'ny Galata (na Galatiana)[1] tao Azia Minora izy tamin'ny taona 277 tal. J.K. ka nandresy azy ireo, nefa navelany hofehezin'i Ptolemeosy II, faraon'i Egipta, ny ampahany be amin'ny tany azony. Maty tamin'ny ady nifanaovany tamin'i Eomenio I, mpanjakan'ny Pergamona (na Pergama) [2] any Azia Minora, izy. Izany ady izany dia niseho tamin'ny taona 263 hatramin'ny 261 tal. J.K. Tamin'ny fahafatesany dia i Antiokosy II no nandimby azy teo amin'ny fanjakana.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Ny Galata (na Galatiana) , izay atao hoe Galogreka koa, dia vahoaka selta izay nifindra monina tao amin'ny faritra afovoan'i Azia Minora tamin'ny Andro Taloha, tao amin'ny faritra atao hoe Galatia.
  2. I Pergamona (na Pergama) dia tanàna tranainy ao Azia Minora, ao Eolida ao avaratr'i Smirna (Izmir ankehitriny). Ankehitriny io tanàna io dia atao hoe Bergama (ao amin'ny faritanin'i Izmir ao Torkia).