Ny antilôpa dia biby misy nono mandinika, iray sokajy amin' ny omby, manana tandroka poaka aty sy vatana matsoraka lava. Misy karazany miisa any amin' ny 150 ny antilôpa ka ny ankabeazany dia hita ao Afrika, nefa ahitana azy koa ny any Azia sy ny any Amerika Avaratra. Isan' ny antilôpa ny gazela. Arakaraka ny karazany dia misy ny miaina any anaty ala na any amin' ny tany efitra. Araka ny karazany koa dia milanja 5 kg hatramin' ny 800 kg ny antilôpa.

Karazana antilôpa any India

Jereo koa hanova