Ny angisy dia biby an-dranomasina, mitovitovy amin' ny horita tsy misy taolana, fa saingy fohy kokoa ny tanany, izay miisa folo fa tsy valo, raha mitaha amin' ny vatany, izay mipoitra avy hatrany manodidna ny vavany, ka ny valo fohy fa ny roa lava kokoa. Mba hisamborany biby hazainy, indrindra ny trondro kely, dia atsipiny ireo tanany roa lava avy eo averiny ka ny tanany fohy no mamikitra an' ilay haza sy mampiditra an' izany ao am-bavany.

Angisy

Mananana taovam-pilomanosana manify manodidina ny vatany ny angisy, izay ahafahany mifidrafindra toerana moromora. Rehefa te hitsoriaka haingana anefa izy dia manao dia mianotra (mihemotra) amin' ny alalan' ny famoahany mafy rano avy amin' ny lavaka ao ambany lohany. Raha misy zavatra atahorany dia mandefa mafy tsiranoka mainty izy sady mitsoriaka tsy misy mahita.

Jereo koa hanova