Andamàna (vondro-nosy)

(tonga teto avy amin'ny Andamàna (nosy))

Ny nosy Andamàna dia tamba-nosy ao avaratra-atsinanan' ny Ranomasimbe Indiana, ao amin' ny Ranomasin' i Andamàna, mikambana amin' i India, ahitana nosy miisa 204 ka 38 no misy olona monina. I Port Blair no tanàna lehibe indrindra ao sady rehivohiny. Misy mponina 314 239 ny ao.

Faritra misy ny nosy Andamàna

Ny mponina hanova

Atao hoe Andamaney ny vahoaka tompon-tany ao amin' ireo nosy Andamàna, anisan' ny vahoaka atao hoe Negritô izy ireo. Ny ankamaroan' ny mponina hafa (ankehitriny maro anisa) dia ny Bengaley hindoista avy any Bengaly Atsinanana rehefa lasa Pakistàna Atsinanana (Bangladesy ankehitriny) ity farany.

Miisa dimy ny vondrom-poko andamaney, izay anisan' ny vitsy anisa indrindra eto an-tany, ka ny sasany efa nanjavona na andalam-panjavonana. Ireto avy izy ireo: ny Andamaney-Lehibe, ny Jangly, ny Jaraoà, ny Ônga ary ny Sentinely.

Ny fitenin' ny mponina ao amin ny nosy Andamàna hanova

Ny fiteny any Andamàna dia fianakaviam-piteny misy vondrona roa, dia ny fiteny andamaney lehibe sy ny fiteny andamaney avaratra (atao hoe fiteny onge-jaraoa, mba tsy hisian' ny fampifangaroana azy amin' ny sampan' ny fiteny andamaney lehibe any avaratra).

Jereo koa hanova