Amôsa

(tonga teto avy amin'ny Amosa)

I Amôsa na Amôsy dia mpaminanin' i Israely voalaza ao amin' ny Baiboly, izay niasa tamin' ny andron' i Jerôbôama II mpanjakan' i Israely sy tamin' ny andron' i Ozia mpanjakan' i Jodà, izany hoe tamin' ny taona 750 tal. J.K. Talohan' ny naha mpaminany azy dia mpiandry ondry tao amin' ny tanàna kely atao hoe Tekoa, akaikin' i Jerosalema, ao amin' ny Fanjakan' i Joda tany atsimo izy, nefa naminany tany amin' ny Fanjakan' i Israely tany avaratra. Nitsikera ny zavatra nataon' ireo mpanan-karena sy ireo mpihatsaravelatsihy ary ireo mpanompo sampy izy tamin' ny asa faminaniana nataony. Izy no ataon' ny lovantsofina jiosy ho nanoratra ny Bokin' i Amôsa.ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly.

Ny mpaminany Amosa, sary rosiana tamin'ny taonjato faha-18.

Ny anarany hanova

Atao hoe עָמוֹס /ʿĀmōs i Amôsa na Amôsy amin' ny teny hebreo.

Jereo koa hanova

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika