I Amôna-Ra na Amôna-Re dia andriamanitra lehibe nivavahan' ny mponina tao Ejipta taloha sady tantaraina ao amin' ny fedrà egiptiana. Na dia fitambarana anarana roa aza ny anarany dia ny endrik' i Amôna no ahalalana azy. Tamin' ny dinastia faha-18 no nikambanan' i Amôna tamin' ny andriamanitra masoandro tao Heliôpôlisy, dia ny andriamanitra Ra (na Re). Rehefa feno tanteraka ny voninahitr' i Amôna vao izay izy mintondra ny anarana hoe Amôna-Ra. Ny toerana ivavahana aminy dia ao amin'ny tanànan' i Waset na Luxor (Tebay), ao Karnak, izay ahitana ny tempoly tsara tarehy indrindra tao Egipta tamin' izany fotoana izany. Nalaky niely ny lazany ka tsy io tanàna io ihany no nivavaka aminy fa i Egipta iray manontolo. Tao Siwa no nisy ny toeram-pamina amin' ny anara' i Amôna izay nalaza hatrany. Nanontany tao i Aleksandra Lehibe mba hahalala na zanak' i Amôna izy na tsia. Amin' ity Makedôniana ity dia tsy iza i Amôna fa i Zeosy (Zeus) ihany: Amôna-Zeosy na Zeosy-Amôna. Matetika ny tempoly nobiana dia aorina hanomezam-boninahitra an' i Amôna-Ra.

Sarivongan' i Amôna-Ra