Ny rahona altostratus dia rahona ao amin'ny sokajin'ny rahona anivo. Ny haambon' ny altostratus dia misy 2 400 m - 6 000 m eo ho eo. Ny Altostratus dia rahona mazavazava kokoa noho ny nimbostratus ary maizimaizina kokoa noho ny cirrostratus. Miampita ny Altostratus ny hazavan' ny masoandro, ary mandrakotra ny lanitra rehetra izy ireny matetika. Mitovy endrika amin' ny rahona stratus ny altostratus.

Rahona altostratus

Mety mampiteraka loza ho an' ny fiaramanidina ny altostratus satria misy ranomandry ny fuselage-n'ny fiaramanidina rehefa miampita ny altostratus.

Mety misy orana vitsivitsy avy amin' ny altostratus. Sainga virga ny karazan-orana milatsaka, indrindra any amina toerana maina. Eny amin' ny haambo anivo koa izy ireny, fa mety eny ambanimbany kokoa noho ny haambo tokony misy azy ny altostratus noho ny hatsiaka; rehefa mangatsiaka ny andro, dia mety oram-panala na na orana tsotra ny mety milatsaka avy amina altostratus. Ny orana dia misy noho ny lanjan' ilay rahona. Rehefa tafidina ambanimbany kokoa ny rahona, tsy hita intsony ny masoandro.

Jereo koa hanova

 

Hijery « altostratus » any amin'ny Wikibolana.

Rohy ivelany hanova