I Aleksandro Janeo na Aleksandro Jonatàna dia rahalahin' i Aristôbolo I, mpanjaka tamin' ny taona 103 tal. J.K. ka hatramin' ny taona 76 tal. J.K. Tonga mpanjaka sy mpisoronabe izy tamin' ny nanambadiany ny vady navelan' i Aristôbola I rahalahiny, dia i Salôme Aleksandra, ka nanohy ny pôlitikan' i Joany Hirkano tamin' ny nanafihany sy nahazoany ny tany maro manodidina sady nanereny ny vahoaka tao amin' ireo faritra ireo hanaraka ny fivavahana jiosy, dia ny jodaisma. Izany no nahatonga ny Fanjakana Hasmôneana ho tonga amin' ny fara tampon' ny fiitarany. Mpanao didy jadona i Aleksandro Janeo sady nahery setra ka nahatonga ny fanjakany hisehoan' ny fifamonoana anaty lapa sy ady an-trano matetika. Nisy namono i Aleksandro Janeo teo am-panaovana fahirano tanàna grika iray tamin' ny taona 76 tal. J.K.

Jereo koa hanova