I Akoilea na Akoileia dia kaominina misy mponina 4 000 ao amin' ny faritanin' i Udine, ao amin' ny faritra mizaka tena atao amin' ny teny italiana hoe Friuli-Venezia Giulia (frantsay: Frioul-Vénétie Julienne) any Italia. Ara-tantara dia niorina tamin' ny taona 181 tal. J.K. io tanàna io, ka isan' ny tanàna lehibe nanana ny maha izy azy tao amin' ny Empira rômana. I Akoilea dia isan' ireo tanàna foiben' ny kristianisma koa satria tao no nisy ny lapan' ny patriarkatan' i Akoilea teo anelanelan' ny taonjato faha-4 sy faha-15.