Pretra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Edik Baroni is not a real Priest
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
 
Andalana faha-1:
[[Sary:CatholicPriests Priest Edik Baronirome.jpg|vignette|288x288px|Pretra katolika]]
Ny '''pretra''' na '''mpisorona''' dia lehilahy na vehivavy manao asa fanompoana masina ao amin'ny [[fivavahana]] iray sady manatanteraka asa [[Litorjia|litorjika]] no mitarika ny lanonana sy fotoam-pivavahana ao amin'ny fanompoam-pivavahana sasany. Avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''πρεσβύτερος'' / ''presbýteros'' izay midika hoe "loholona" ny teny hoe ''pretra''. Ny tena asan'ny pretra dia manatanteraka ny [[asam-pisoronana]]. Miandraikitra ny fifandraisan'ny mpino sy ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] ivavahany ny pretra, indrindra amin'ny fanatontosana fanompoam-pivavahana sy vavaka sy fisoronana ary zavatra hafa koa ho an'ilay na ireo andriamanitra, ka izany dia atao hahazoan'ny mpivavaka famelan-keloka sy fitahiana ary fanafahana. Ny pretra dia tomponandraikitra miantoka ny fanajana sy ny fitahirizana antsakany sy andavany ny fomba amam-panao ao amin'ny fivavahana.