Fanahy Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Fanahy''' '''Masina''', araka ny finoana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]], dia ny herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin’ny [[Famoronana]] izao tontolo izao ka hatramin’izao. Hita ombieniombieny ny firesahana ny Fanahy Masina ao amin’ny [[Baiboly]]. Ny fivavahana sasany, toy ny [[finoana silamo]] sy ny [[finoana bahay]], dia mino ny fisian'ny Fanahy Masina.
 
== Ny Fanahy Masina ao amin' ireo fivavahana abrahamika ==
Samy manana ny zavatra antaony hoe Fanahy Masina ireo [[fivavahana abrahamika]] toy ny [[jodaisma]], ny [[Fanahy Masina (kristianisma)|kristianisma]], ny [[finoana silamo]] ary ny [[finoana bahay]].
 
Andalana faha-22:
 
=== Ny Fanahy Masina ao amin'ny kristianisma ===
 
==== Ny Fanahy Masina, araka ireo fiangonana trinitariana ====
Ny fiangonana mino ny [[Trinite]] dia manao ny Fanahy Masina ho iray amin'ireo persona telon'Andriamanitra tokana. Isan'ireo ny [[Eglizy katôlika rômanina|Fiangonana katôlika]], ny [[Fiangonana ôrtôdôksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] ary ny ankamaroan'ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]]. Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran'izy ireo. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin'ny fanekem-pinoana. Ao amin'ny [[Fanekem-pinoana apôstôlika]] (izay tsy ampiasain'ireo [[Fiangonana Tatsinanana]], isan'izany ny Ôrtôdôksa) dia tsy ahitana afa-tsy ny hoe "Mino ny Fanahy Masina aho", ka tsy ahafantarana na persona na Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana]] dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy mampitombo isa an'Andriamaitra izany. Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin'ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin'ny Zanaka" (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kai tou Uiou''; latina: ''Filioque'') izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan'ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Nandova izany koa ireo fiangonana mino ny Trinite izay nateraky ny [[Reformasiona protestanta|Refôrmasiona prôtestanta]]. Tsy eken'ny Fiangonana Tatsinanana (isan'izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan'ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "nivoaka tamin'ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe ''[[Filioque]]'' (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kaὶ toū Uioū''). Isan'ny zavatra nampisaraka ny Fiangonana tatsinanana tamin'ny Fiangonana tandrefana izany taty aoriana. Amin'ny Fiangonana Tatsinana dia nivoaka avy amin'ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy tamin'ny Zanaka koa.
 
Tamin'ny fotoana niadian-kevitra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia nampangaina ho mino andriamanitra telo ([[triteisma]]) ireo nanohana ny Trinite. Ankehitriny dia misy ny fiangonana izay manaiky fa Andriamanitra mahaleo tena fa tsy personan'Andriamanitra tokana ny Fanahy Masina, tsy iza izany fa ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany]]. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny persônany sy ny natiorany avy nefa mifameno. Ny Fanahy Masina dia voalazan'ny fampianaran'ny Olomasin'ny Andro Farany fa mpikambana fahatelo amin’ireo Andriamanitra, sady lazainy fa olona Fanahy tsy manana vatana nofo sy taolana, araka ny fampianarany ao amin'ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana]]: "''Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy, fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina''." (F&F 130:22).
 
==== Ny Fanahy Masina araka ireo fiangonana tsy trinitariana ====
Ireo fiangonana tsy mihevitra ny Trinite ho midika fisian'Andriamaitra telo dia mampianatra fa herin'Andriamanitra ny Fanahy Masina fa tsy persôna no tsy Andriamanitra. Teo amin'ny tantara dia nisy ireo nihevitra ny Fanahy Masina ho fomba fisehon'ilay Andriamanitra tokana, izany no atao hoe [[môdalisma]]: Ny Ray sy ny Fanahy Masina dia tsy iza fa ilay Andriamanitra tokana tonga nofo tao amin'i Jesoa Kristy ihany. Ankehitriny dia maro ny fiangonana tsy mino ny Trinite izay milaza fa hery entin'Andriamanitra fa tsy persôna ny Fanahy Masina. Amin'ny [[Vavolombelon'i Jehovah]], ohatra, dia hery miasa an’Andriamanitra ny fanahy masina, tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tsy mampiasa sora-madinika ny Vavolombelon'i Jehovah raha manoratra io herin'Andriamanitra io (''fanahy masina'' fa tsy ''Fanany Masina'') mba hanehoany ny tsy maha persôna an'izany.
 
Ligne 36 ⟶ 39 :
Amin'ny finoana bahay, ny Fanahy Masina dia ny lalana izay ahafahan'ny fahendrena'Andriamanitra hikambana amin'ny irany, ary maro ny fomba filazana azy sy ny fomba fisehony, arakaraka ny fivavahana, ka isan'izay ilay roimemy nirehitra hitan'i Mosesy, ny afo masin'i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra), ny voromailala tamin'ny andron'i Jesoa, ary ny "Mpanompo vavin'ny Lanitra" hitan'i Bahaola. Ny finoana bahay dia mitsipaka ny filazana fa mpiara-miasa ao amin'Andriamanitra ny Fanahy Masina, ny inoany dia ny maha iray amin'ireo toetra maha izy an'Andriamanitra azy.
 
== Ny Fanahy Masina ao amin' ny fivavahana hafa ==
Manana ny zavatra ataony hoe Fanahy Masina na mitovitovy amin'izany koa ny fivavahana hafa sasany, toy ny [[hindoisma]] sy ny [[zôrôastrisma]].
 
Ligne 42 ⟶ 45 :
Ny ataon'ny hindoisma hoe Advaita dia mifabndray amin'ny Trinite sady nohazavain'i Raimon Panikkar, mpampianatra taranja Fampitahana ny Fivavahana sy ny Tantaran'ny Fivavahana, ao amin'ny amin'ny Oniversiten'i Kalifornia. Nilaza izy fa ny Fanahy Masina, izay iray amin'ireo persôna telon'ny Trinite (ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina), dia tetezana mampitohy ny kristianisma amin'ny hindoisma.
 
=== Fanahy Masina ao amin' ny zôrôastrisma ===
Ao amin'ny [[zôrôastrisma]] ny Fanahy Masina, izay fantatra amin'ny anarana hoe Spenta Mainio (''Spenta Mainyu''), dia ny endrik'i Ahora Mazda, ilay Andriamanitra Mpammorona fara tampony ao amin'ny fivavahana zôrôazstriana. Loharanon'ny fahatsarana eo amin'izao rehetra izao ny Fanahy Masina, izy no pitik'afom-piainana ao amin'ny olombelona, ary ny mpitari-dalana farany ho an'ny olombelona amin'ny fahitsiana sy ny fiombonana na firaisana amin'Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia mifanohitra mivantana amin'i Angra Mainio (''Spenta Mainyu''), izay loharanin'ny faharatsiana rehetra sady mitarika ny olombelona hania.