Andriamasinavalona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-922:
Koa mba ho fampahafantarana ny mpamaky sy ny taranaka dia noezahana ny amoahana etoana ny tantaran’ny vohitra sasany nonenan’ny andriamasinavalona, araka ny lovan-tsofina nomen’ny taranaka, ny tantara fonosiny ka voasoratra, ny mbola mampiavaka azy hatramin’ny ankehitriny. Tsy feno, tsy lavorary angamba ny fitantarana, na misy fahabangana izay mampiavaka tsy voalaza, koa ianareo ihany dia afaka manitsy izany: “ataovy toy ny tonom-bomangan’ilay Mora, ka any an-tenda manitsy ny bingo”.
 
=== VOROMAHERY[[Voromahery]] ===
 
==== ANOSIPATRANA[[Anosipatrana]]ILANIVATO[[Ilanivato]] ====
Marobe ny vohitra tokony hotantaraina ao amin’ny faritry “Voromahery” izany hoe ireo vohitra manodidina mivantana amin’Antananarivo sy ny ao Antananarivo fa iray ihany aloha no horesahina dia Anosipatran-Ilanivato. Isan’ny vohitra nalaza Anosipatrana hatramin’ny andron’Andriamasinavalona satria napetrany hanana vodivona sy menakely teo ilay zanany lahy atao hoe Andriankotofananina, izay razana niavin’ireo andriamasinavalona ao Anosipatrana sy Ilanivato ary Anosibe-Amoronkay .Tsy hitantara firy intsony ny momba azy eto satria efa voalaza ery aloha izany. Ny tiana homarihina dia ny taty aoriana : nametrahan’Andrianampoinimerina honenan-dRasendrasoa vadiny sy ireo iray tampo aminy koa teo Anosipatrana ka nifampitazana sy nifampizara fananana teo ny andriamasinavalona sy ny zanakandriana. Matetika moa ny fizarana dia mitelo: 1/3 an’ny zanakandriana sy zazamarolahy ary ny 2/3 dia an’ny andriamasinavalona. Tato aoriana indray dia nahazo toerana honenana teo koa Rabobalahy, zana-dRasalimo vadin -dRadama I, ka mbola eo ireo taranany sasany .
 
Andalana faha-939:
Anjaran’ny taranaka ankehitriny ny mikaroka lalina ny tena marina sy manamafy izany araka ny fisehoan’ny tantara sy ny fomba amam-panao mbola arahina.
 
=== AVARADRANO[[Avaradrano]] ===
 
==== AMBATOFISAORANA[[Ambatofisaorana]]<ref name=":1" /> ====
Vohitry ny andriamasinavalona efa hatramin’ny ela Ambatofisaorana, mbola honenan’ny taranaka, nefa vitsy mpahalala ivelan’izy ireo. Vohitra miorina ao avaratr’Isadabe, amin’iny làlana miala avy eo Talata-Volonondry, mianavaratra mahazo an’Ambatomanoina mandalo an’Ambohitrolomahitsy.
 
Andalana faha-964:
Tamin’Andrianampoinimerina nampandry tany amin’iny Mandiavato no miantsinana-avaratra iny, dia niakatra nitaingina ilay vatolampy avobe eo ambony atsinanan’ny tanàna izy. Be dia be ny fahana sy ny hasina naterin’ny olona ho azy teo. Faly izy noho ny fitiavan’ny olona azy. Dia nitsangana izy, niedinedina, nivandravandra amin’ny maso mihiratra sy mibaliaka be mijery ny vahoaka, moa va tsy ombilahy hiantoraka hiady ? Izany, hono, nanaovan’ny olona azy voalohany indrindra hoe ”Ombalahibemaso”. Dia tamin’izay izy nisaotra ny vahoakan’Imiantsoarivo ka no nanovany ny anaran’ny tanàna natao hoe “Ambatofisaorana”.
 
==== SAMBAINA[[Sambaina]] ====
Sambaina izay hotantaraina eto dia ilay vohitra kely eo andrefan’i Manjakandriana, izay an-dalovan’ny arabe n°2, atsinanan’ i Nandihizana (Carion) sy ny lalàm-by Antananarivo-Toamasina .
 
Andalana faha-992:
Reko ny teninao, hitako ny soa aterinao ho ahy ; ka izao no ataoko aminao: omeko anao ny ampaha-dimin’ny tany ao Sambaina ao, ary ny efa-toko an’Andriamifonamanjaka rehetra;ka raha mbola taranako koa no andriana dia tsy ovako mandrakizay; fa vehivavy nahavory tany sy fanjakana ianao”, hoy Andrianampoinimerina.
 
==== AMBOHIDRANO[[Ambohitrano ANDREFANAAndrefana]] ====
Andriambolanambo, zanak’anabavin’Andriamasinavalona, mpanjaka, no andriana tompom-bodivona tao Namehana, nanambady an-dRamanitrandriatsimitovy na Rasoherinareniny (vavimatoan-dRanavalontsimitoviaminandriana) ka niteraka an-dRasoherimanantany, izay lasa vadin’ny mpanjaka Andriambelomasina tao Ambohimanga. Efa nanambady an’Andrianonihafa i Rasoherina vao nalain’Andriambelomasina ho vady, ka hoy Andrianonihafa nionona : « …Raha alainao, mahatrarantitra anao ! » .
 
Ary Andrianonihafa tsy tamana intsony tao Namehana, fa be voalavo sy bibilava tompon-drano tao ka nifindra nankeny Ambohidrano, atsinanan’Ambatofotsy - Zanadralambo izy ka tany izy no niteraka ny zanany atao hoe Andriantokanamantany, andriana fiavin’ny andriamasinavalona sasany ao Ambohidrano. Misy lovantsofina milaza fa tao Mahatsinjo, avaratr’Ambatofotsy izy no nitoetra ary ny menakeliny no tao Ambohidrano; nefa hoy Andriambelomasina: « Aiza no ianareo andriamasinavalona indray no hibaby ny menakely fa aoka ianareo hiantsinana eo Ambohidrano ary izy hiakandrefana eo Mahatsinjo !». Izany hono no nahatonga ny fasan’Andriantokanamantany ho ao Mahatsinjo. Antanantsara, avaratr’Ambohimanga nomena ho menakelin’Ambohidrano koa ho fanampin’i Mahatsinjo.
 
==== AMBOHIDRANOAmbohitrano ATSINANANAAtsinanana ====
Vohitra eo avaratra andrefan’ i Fiaferana – Andrianamboninolona, Ambohidrano. Nisy maromaro ireo zafikely sy zafiafin’Andriamasinavalona no nomeny vodivona tany amin’iny faritra iny dia Andriantompombe tao Ambihidalôna, Rampianala tao Ambatomalaza, Ramarohasina tao Ambohitrakely, ary Ramambahasina nifidy an’Ambohidrano. Taranaka avy amin-dRamambahasina ilay andriandahy nalaza tao natao hoe Andriamasina. Ny raharaha isan’ny nampalaza ny andriamasinavalona avy ao Ambohidrano atsinanana dia ny mitsara « manozon-doha amin’ny fampinomana tangena ».
 
Ny loharano ao Ambohidrano no fisotron’ny Andriamanjaka aty Antananrivo, nohon’ny hatsarany fa madio,mamy, mangatsiatsiaka. Misy zohy eo ambany atsimon’ny vohitra, fieren’ny kristianina tamin’ny « Tany maizina ».
 
=== VAKINISISAONYVakinisisaony ===
Maro be ny vohitra malaza nonenan’ny zanak’Andriamasinavalona tao Vakinisisaony satria ankoatra ireo vodivona nisy ny taranaky Ranavalontsimitoviaminandriana anabaviny, vadin’Andriampanarivofonamanjaka, (amin’ny Vakinampasina: Ambohitrandriamantra, Merinarivo, Miadamanjaka, Lazaina,Mantasoa…), dia tao koa:
 
Andalana faha-1 013:
Ka ho tsongaintsika amin’ireo Ambohimahatakatra.
 
==== AMBOHIMAHATAKATRA Ambohimahatanatra - MANTASOAMantasoa<ref>RAZAFINTSALAMA Claudie N., ''« Ambohimahatakatra-Mantasoa'' » , 2013</ref> ====
Ambohimahatakatra, vohitra tranainy, eo atsimon’ny tanànan’i Mantasoa, fa ny renirano Varahina no mampisaraka azy. Vohitra mbola rakotra ala tranainy sy anirian’ny ahitra sy zava-maniry maintso lava milenodenoka, toerana tokony atao fitsangatsanganana sy fakan-drivotra.
 
Andalana faha-1 044:
Raha bangoina dia taranaka avy amin’Andriampanarivofonamanjaka sy Ranavalon-tsimitoviaminandriana, ireo andriamasinavalona avy ao Ambohimahatakatra sy ny manodidina rehetra, ary nantsoina hoe”ny zanak’anabavin’Andriamasinavalona”. Araka ny tantara dia ny andriana Razakamanana (1800?-1870?) no tompomenakely tao Ambohimahatakatra, nanorina an’iMasombahiny.Niteraka mianadahy izy ka ny vavy atao hoe Ratompo(arisoa) dia nanambady andriamasinavalona tany Marianina, vohitra eo andrefana atsimon’Anosimanjaka ka niteraka an’I Ralaiarivony sy Raobelina; ka ity Raobelina ity no fantatra fa nitondra farany tao Ambohimahatakatra.
 
==== ANDRAMASINAAndramasina ====
Ralanimboahangy, zanaka vavimatoan’Andriandanitramantany, mpanjakan’ i Vohitrarivo - Tsinjoarivo, isan’ny 12 vavy vadin’Andriamasinavalona no nanorina azy. Nasain’Andriamasinavalona nianavaratra Ralanimboahangy fa lavitra loatra Tsinjoarivo. « Tsy tamana aho, hoy Ralanimboahangy, raha tsy tanàna mitovy hatsaran-tarehy amin’ny Tsinjoarivo no hipetrahako ! »
 
Andalana faha-1 057:
Misy fitenenana hatry ny ela manao hoe : « Ny adin’ny valo-reny , andrianan’Andramasina , dia tsy manam-piafarana ! ».
 
=== MAROVATANAMarovatana ===
Betsaka koa ny vohitra fonenan’ny andriamasinavalona ao Marovatana :
 
Andalana faha-1 066:
-Antanjondroa ( misy ny zanak’i Ramananadrianjaka sy Rabezaka), Andriantany, Manjakazafy, Ambohipiara ,Andambozozoro, Fiakarana,sns….
 
==== ANOSIMANJAKAAnosimanjaka<ref name=":2" /> ====
Vohitra kely toy ny nosin-drano eo afovoan’ny tanimbarin’ny Betsimitatatra, andrefan’ Ambohitrimanjaka ary atsinanan’Ampangabe ity Anosimanjaka ity.
 
Andalana faha-1 093:
4-Razakanavalondralambo, loharano niavian’ny andriamasinavalona ao Fikarana-Ivato, isan’ny « Zanadranavalona ». Ny mampalaza koa an’Anosimanjaka dia ny fankalazan’ireo zanadranavalona isan-taona ny andro fandroana amin’ny tsinambolan’ ny alahamady, manaraka ny fomba teo aloha, araka ny hafatra napetrak’iNenibe.
 
=== AMBODIRANOAmbodirano ===
 
==== ANTSAHADINTAAntsahadinta ====
Antsahadinta no isan’ny vohitra malaza ao Ambodirano izay samy misy ny andriamasinavalona, ny zazamarolahy ary ny taranak’ Andrianampoinimerina avy amin’i Rabodozafimanjaka, isan’ny 12 vavy vadiny. Vohitra eo atsimo andrefan’Antananarivo, vohitra mbola mifono ala ary voakarakaran’ireo taranaka ka lasa toeram-pitsantsangana mahafinaritra, misy tranom-bakoka.
 
Andalana faha-1 118:
Napetrany hitondra sy hiandry fanjakana tao i Rabodozafimanjaka, isan’ny 12 vavy vadiny, zanak’Andriantsira, avy eny Alasora ka tao izy mianaka Rakarabo zanany tamin’Andrianampoina no nijaka sy nisaotra omby amin’ny andro Fandroana. Nanomboka hatramin’izay dia i Rabodozafimanjaka sy ny taranany no nanjaka tao Antsahadinta ary milevina ao. Fasana fotsiny sisa ho an’Andriamangarira; ao koa ny an’ i Ratsimisotry zazamarolahy, ny an’ Andrianjakatrimo, andriamasinavalona; ery andrefan’ny tanàna no misy ny fasana nametrahana an’Andrianamboatsimarofy, mpanjaka resy tao Antananarivo sy ny an’i Ratsimihara…. .
 
=== VAKINANKARATRAVakinankaratra ===
Ny Andriamanjaka sy ny havany izay nanjaka tany Vakinankaratra nantsoina koa hoe fanjakan’ Andrantsay (anarana renirano) fahiny, dia andriana avy aty Imerina ihany ka izany no antony nampidiran’Andrianampoinimerina an’i Andrantsay ho isan’ny merina satria vahoaka merina ny ankamaroan’ny mponina tao ankoatry ny tompontany .
 
Andalana faha-1 177:
Rehefa vita Vakinakaratara manontolo dia nitodi-doha nianavaratra nody ny tafika ; nony tonga teo Ambohipeno(tendrombohitra atsimo-atsinanan’Ambatolampy ankehitriny,amoron’i Onive) dia nitodika tamin’ireo zana-dRangorinimerina 7 lahy Andrianampoinimerina satria izy ireo no tena nifikitra sy nanao izay ahazoana an’i Vakinakaratra tamin’ny tetika sy tamin’ny fifampiraharahana na tamin’ny ady ka nahafam-po ny Andriamanjaka ary novaliany soa . Dia nomeny azy ireo ho menakely sy ifampizaran’izy ireo ny tany teo anelanelan’i Vakinankaratra sy Ambodirano ary Vakinisisaony, hatreo Ihazolava no mianatsimo hatrany Rangaina –Antanifotsy ,ka ipetrahan’ireo taranany hatramin’izao .
 
==== BETAFOBetafo ====
Renivohitry ny toko Vakinankaratara izy .Ny anarany hono, dia avy amin’ny hoe Be-eto-afo(Be setrok’afo) satria tanàna be trano madinika midonan-tsetroka izy fehizay ,fa nisy vahoaka (menakely, andevo) mpiandry ny Vohiambo( fasan’andriana) izay ilevenan’Andrianonitomponitany sy ny taranany ; nantsoina koa hoe « Itsaravavaka » ny fasany , araka ny firarian’Andrianampoina izay nanenina mafy tamin’ny nampamonoana azy tsy ara-drariny ka nanao hoe : « Mba ataovy tsara vavaka re izaho sy ny taranako, ry Andrianonitomponitany ô ! fa aza manody izany voafitaka ! » .
Ambohitsimanova dia tanàna kely eo avaratry ny farihy Tatamarina . Tamin’ny Merina “lavasofina” naka an’i Vakinankaratra, dia tsy mba nanohitra i Betafo ;ka teo amin’io toerana io no nanao velirano ny andaniny roa : Andrianampoina nanome toky fa tsy hanova ny fitondrana ary tsy hanetry razana ; teo andaniny indray Andriantsileondrafy, zanak’Andrianonitomponitany , nisahàto fa hanoa an’Andrianampoina ka tsy hanova izany izy sy ny taranany.Tonga toerana fisehoan’ny andriana teo sy fivorian’ny ambanilanitra amakiana ny kabarin’ny Mpanjaka, ary lasa toerana fanaovan-dalonana.
Itatamarina dia ilay farihy ao atsimon-tanàna , laza manokan’i Betafo.Natahorana izy tany aloha fa rehefa hisy hiamboho hono ireo andriandahy lehibe ao Betafo dia mivadika maloto toy ny misy taim-boraka ny rano ka dia Andranomilalahy no natao anarany fony izy mbola kamory kely. Andrianonitomponitany no nanamboatra azy ho tonga farihy lehibe niaraka tamin’ireo hady fito sosona ka sady lasa fatsakana izy raha misy fahirano no manda fiarovana avy eo atsimon-tanàna.
 
=== VONIZONGOVonizongo ===
Aiza moa no misy an’i Vonizongo? Hatreo amin’ny renirano Moriandro, mandalo ny tanànan’i Mahitsy no miakandrefana – avaratra , ka hatrany Andriba no faritra misy azy.
 
Andalana faha-1 197:
Dia faly ny mpanjaka ka ho valin’ny faneken’izy ireo dia tsy nesoriny fa napetrany tamin’ny vodivona nisy azy ireo tsirairay avy; ary ireo zanak’Andrianentoarivo nataony ho isan’ny andriamasinavalona, nomeny elomena isan-dahy . Nozarainy folo araka ny isany i Vonizongo ka Andriantsimidodò sy Andriantsoba no natao ho isan’ny filohany tamin’izany.
 
==== AMBOHIMIRIMOAmbohimirimo ====
Betsaka mihitsy ireo vohitra nisy ny terak’ Andrianentoarivo , andriamasinavalona amin’ny Vonizongo saingy tsy dia nisy nahazoana tantara firy ary efa lasa haolo aza ny sasany na niova anarana taty aoriana. Ny hany nahazoana tantara kely dia Ambohimirimo , ao amin’ny zarantanin’i Tsaravoninahitra.
 
Andalana faha-1 206:
Taty aoriana dia napetrak’Andrianampoina teny Rasoamananoro zanany,reni-dRamasy. Nony niamboho anefa i Radama I tato aoriana dia natolotr’i Ranavalona I ho an-dRamboasalama zana-drahavaviny Ambohimirimo, ka izy no andriana tompombodivona tao hatramin’ny nahafatesany. Andriantasy mianadahy, zana-dRamboasalama dia manana fasana ao ilevenan’ny taranany. Nisy rova sy lapa tsara tarehy tao , hono, misy amontana sy aviavy ka nahaloa-bolana ny ntaolo hoe : « Mananjara izay monina ao » ; ka izay no niavian’ny anarany ankehitriny hoe “Mananjara”.
 
=== IMAMOImamo ===
Tsy natao isan-toko fa natambatra manontolo amin ‘Ankibonimerina 4-toko ka dia niray Imerina sy Imamo .