Andriamasinavalona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-125:
Andriambahoaka zanany natao koa hoe Andriambahoakampovoanitany no mpanjakan’Imamo nonina tao Amboniazy, Itasy .Nifankahalala sy nifanaja tsara izy sy Andriamasinavalona ; nifanaraka ny roa tonta fa ho faritana ny sisin-tany mampisaraka an’Imerina sy Imamo. Toy izao hono ny fomba namaritana azy :
 
”Samy niala maraina, vao maneno akoho tokana ,izy roalahy. Andriamasinavalona avy aty Antananarivo, Andriambahoaka avy ao Amboniazy ; dia samy mandeha amin’ny làlana mahazatra mampitohy ny vohitra roa,ka izay toerana ifanenana no atao faritra izarana ny fanjakana .Andriamasinavalona dia nitana marina ny fifanekena .Andriambahoaka kosa nambosin’ny olony ka nivadika, dia tsy niandry ny akoho maneno amin’ny maraina, fa vao tapi-mandry ny olona dia niainga tao Amboniazy , fa te-hahazo tany be .Raha vao nahatazana an’Andriamasinavalona Andriambahoaka teo akaiky ny renirano nifanenana, dia nihoraka ny mpanaraka an’ Andriambahoaka: ”Lasantsika! lasantsika ny fanjakana lehibe sady lava horiranana fa kely foana ny an’Imerina ! Mihobia ry Imamo!”.
 
Teo amoron’ny renirano kely eo andrefan’Imerintsiatosika no nifanena;dia namono omby fotsy tokam-bola natao orim-baton’ny fifanekena sy sakafo be . Dia natao hoe Iombifotsy ny anaran’ilay renirano nifanenana,faritra fizarana an’Imerina sy Imamo .
Dia hoy izy roa lahy:”Samia mitoetra amin’izao zara-tany izao:ka izay mangala-tsidiny amin’izao elanelan-tany izao, miady an-tanety sahalà, manani-bohitra aza mahafaka!Miakatra Imerina ianao tsy vahiny, midina Imamo ianao ohatra ny tompony !”Dia nahazo nifamangy ny avy aty Imerina sy ny avy any Imamo, fa tsy mba nisy ady.
 
Ary nony vita izany, dia hoy ny tantara mikasika ny nanjo an’Andriambahoaka . Noho ny haratsian’ny làlana , ny hamaizin’ny alina , ny famelezan’ny hatsiaka sy ny fanala anefa,hono,dia reraka mafy Andriambahoaka sy ny mpanaraka azy ka be ny narary kibo, narary tongotra,nanavy,…ary nisy maty teny an-dàlana aza, hono, nony niverina nody .Ninoan’Andriambahoaka fa todin’ny fivadiham-pifanekena nataony izany ka namely azy mafy ny fieritreretana.
 
Nony taty aoriana , nitsidika an’ Andriamasinavalona ny Antehiroka mpitsitsika azy :”Akory, Ialahy Andriamasinavalona!Resy andro nizarana fa ho tompon’izao tontolo izao!Tsy ny masin’odi-tandroka no tompon’ny omby fa ny mamatotra ny zanany!Ny mpisoritra mamadi-belirano, ho lavo mandrakizay, fa ialahy Andriamatahobelirano, ho tahiana mandrakizay!”
Nenjehin’ny eritreriny hatrany Andriambahoka ka nandefa olona 40 izy hifona amin’Andriamasinavalona, nitondra ondrilahy be hofaka,omby be ronono, volafotsy hidivava: nangata-tsodrano sy fanatsoahana ny ozona nifanaovana fa nivadi-belirano. ”Tsy mahay mitso-drano anao aho hoy Andriamasinavalona, fa Andriamanitra izay nanaovanao fianianana tsy notoavinao no mahalala izany!”- Vao mainka nasian’ny eritreriny Andriambahoaka ka izy tenany mihitsy no avy nifona tamin’Andriamasinavalona.
 
Ny teto Antananarivo kosa nihira nanao hoe:”Ny ranomason’Imerina , fony niantsinanana,ho tonga feom-basy, toa kotronkorana an-tany, hody volafotsy haingom-bahoaka, ho volamena fehitanan’Andriana, ho vatosoa satroboninahim-panjaka!Mandehana ,aza tratry ny andro maraina , ianareo mpanomp manome voho tompo, fandrao maty tsy hitan’Imamo, ka manome soketa an’Antananarivo!Tamin’izay hono no nahatonga ny fitenenana hoe : ”Aleo homana ny amberivatrin’Imerina,toy izay hivoky ny tapian’Imamo!”
 
Taty aoriana, nasain’Andriambahoaka nanao hady fizarana sy fahatsiarovana izany Andriampivovo zanany, teo Ambatondramijay izay natao hoe “hadin’andriampivovo”: ka manomboka eo , manaraka ny renirano Iombifotsy, ny miorika dia Imerina, ary ny mivalana dia Imamo .
Famintinana : teo amin’ny renirano Iombifotsy izy roalahy no nihaona ka io renirano io no namaritra ny fanjakana roa tonta, ary niara-nanamafy ny fihavanana izy roa lahy fa hoy mantsy izy ireo : « Miakatra Imerina ianao tsy vahiny,midina Imamo ianao toy ny tompony ! ».