Andriamasinavalona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-137:
Vita ny famoriana ny vahoaka merina :nofaritana ny sisintany : -ny antsinanana : Vakinifanongoavana sy ny moron’ny ala mainty ; ny avaratra,Vakin’Isahasarotra sy ny sisin’Antsihanaka ; ny andrefana : Vakin’Iombifotsy ary ny farany atsimo dia ny Vakin’Irangaina sy Onive, manamorona ny efitra atsimo . Izay no fonenan’ny merina ka nantsoina hoe « ANKIBONIMERINA » .
 
=== Ady amin'ny mosary sy ny asa fampandrosoana ===
Tamin’ny andro nanjakan’Andriamasinavalona dia nisy mosary lehibe , natao hoe “Tsimiofy” saika nandripaka ny vahoaka merina .Nisy rivotra sy orana nikija nandritry ny iray volana izay niverimberina isan-taona ,namely ka potika avokoa ny voly na an-tanety na an-tanimbary; tsy nanana hanin-kohanina intsony ny olona ka tratra hatramin’ny fianakavian’ny Andriamanjaka.
Naniraka olona nitady vary sy hanina na ho vidina aza Andriamasinavalona ka tsy nahita raha tsy tany amin’Andriandrivotra, tao Andraisisa , izay nanome maimaim-poana sy nanolotra hanina fanampiny aza ka faly ny Andriamanjaka .Ary izay no nahatonga ilay fitenenana hoe :”Hany vary Andraisisa!”. Novaliana soa Andriandrivotra ka natao Menabe Andraisisa fa tsy Menakely intsony .
Andalana faha-149:
 
 
IV)==== <u>Ny FIANDRIANANA sy ny HASIN’NY ANDRIAMANJAKA</u> ====
 
Mba hampitombo hasina sy voninahitra ny Andriamanjaka dia nametraka lalàna momban’ny fiandrianana izy :
Andalana faha-165:
Ny Zanakandriana voatendry hanjaka dia entina ao Besakana aloha , mijoro anilan’ny fatana afovoany,mangatam-pitahina ka izany no atao hoe “Halampatan’ny Besakana”( fototra iorenana), izay mari-pahefana ambony indrindra , ary tsy atao hoe manjaka raha tsy efa nandalo sy nonina tao Besakana .
 
V)==== <u>NY FANDAMINANA NY FITONDRANA</u>====
 
'''a)===== Ny Ambaratongan’ny Havan’ Andriamanjaka''' =====
 
Efa betsaka ny isan’ny havanan’andriana tamin’ny andron’Andriamasinavalona ary mbola niampy ireo zanany sy havany akaiky ; dia nanao fandaminana vaovao izy ka nalahany nataony alohan’ny Andrianteloray sy ny Zanadralambo izay efa nalahatry Ralambo fahiny ireo zanany sy ny havany dia ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona; koa nanjary 6 ny isan’ny fokon’andriana teto Imerina:
Andalana faha-202:
 
 
'''b)===== Ny fomba sy ny zon’ny andriana teto Imerina amin’ny ankapobeny''' =====
 
Nanana zo sy sata iombonana ny andriana rehetra (ireo taranaky Rangita sy Rafohy),izay iavahany kely amin’ny sarababem-bahoaka , indrindra amin’ny adidy atao amin’ny Andriamanjaka:
Andalana faha-217:
 
 
'''d)===== Ny fanambadiana''' =====
 
Mafy ny lalàna amin’ny fanambadiana teo amin’ny sokajin’ny andriana noho ny fiarovana ny firazanana sy ny fiandrianana ary ilay fomba hoe “ lova tsy mifindra”.Ny andriana samy andriana ihany ary isan-tsokajiny raha azo atao no mifanambady .Noho izany ny “tena andriana dia izay andrian-dray sy andrian-dreny niteraka”.Ny taranaka ivelan’izany fanambadiana izany dia tsy andriana intsony .
Andalana faha-230:
 
 
'''e)===== Ny rafitra fandaminana ny vahoaka''' =====
 
Ary ireo karazam-poko hafa toy ny Antehiroka ,ny Zafimamy, ny Talasora, ny Folovohitra(ny hova) ary ny “Voaramasika” fakana ny angaralahy, ny tandapa , ny mpanao raharaha an-tokan-tranon’ny mpanjaka sy ny andriana sasany ; samy nomeny avy ny anjara fitondrana sy adidy amin’ny fanjakana.Ka hoy Andriamasinavalona momba azy ireo :
Andalana faha-241:
Ireo sokajim-bahoaka rehetra ireo dia nety samy nanana “andevo” na “olona very zo noho ny trosa na noho ny sazy ” natao mpanompo izay noheverina ho fananana toy ny fitaovana rehetra , novidina teny an-tsena .Afaka miavo-tena anefa izy ireny na avotan’ny havany ka miverina amin’ny toerana sy ny sokajy nisy azy taloha,na mainty , na hova , na andriana.
 
VI)==== <u>ZARA-TAIZA FA TSY ANDRIANA</u> ====
 
« Izao no ambarako aminareo ry Merina, fa hahatokoko Merina nefa vodivona itoeran’ny zaza izany : zara taiza fa tsy andriana<ref name=":0" /> !….”