Andriamasinavalona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-17:
''"Andriamanjaka nahay niara-nidinika amin’ny vahoakany ny ho soa teo amin’ny fanjakany, sy ny ratsy tokony ialana".''
 
=== Ny nandraisany ny fanjakana ===
Rahefa niamboho Andriantsimitoviaminandriandehibe dia ny zanany lahimatoa Andrianjakatsitakatrandriana aloha no nanjaka nandimby azy tao Antananarivo fa Andrianjakanavalondralambo zandry olona dia nampanoavina teo Alasora nanaraka ilay didy fandovam-panjakana atao hoe « fanjakana arindra » ka ny zokiny aloha no manjaka, vao izay mandimby ny zandriny, fa hoy rainy taminy : « Zandrin’olona, fa mahandrasa ; kanefa na izany aza, aza malahelo foana fa lahy ,lehitsy ! ».
 
Andalana faha-72:
Toy izany no fanehoan’Andriamasinavalona ny fahendreny sy ny hatsaram-panahiny, fa na dia nanana ny fahefana tsy refesy mandidy aza izy, dia nanao am-po fa vonona mandrakariva hiera amin’ny vahoaka aloha vao mandray fanampahan-kevitra ary tsy mba nanenji-dresy izy .
 
Tsy izy no nanongana sy nandroaka an’Andrianjakatsitakatrandriana ,zokiny, teo amin’ny fitondrana fa ny vahoaka araka ny hevitra sy ny teti-kadin’Andriamampandry hovalahy mpanolontsaina.
 
== Ny fanitarana ny fanjakana Merina ==