Banto (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Ireo vahoaka banto, izay vahoaka maro, dia manana rafi-piarahamonina sy rafitra ara-pôlitika samihafa, ka ny singa itambarany dia ny fampiasan' izy ireo fiteny banto. Araka an' i Joseph Greenberg, ny mpiteny banto dia niely nankany atsimo sy andrefan' i Afrika tany amin' ny 4 000 taona lasa izay, niala avy ao amin' ireo lembalemba avo ao Kamerona.
 
Ireo vahoaka miteny banto ao amin' ny faritra misy [[fatrana]] toy ny Kôngô (''Kongo''), ny Iaka (''Yaka''), ny Pende (''Pende''), ny Lele (''Lele'') ary ny Koba (''Kuba''), dia miaina anaty fianakaviana entin-dreny, ny sisa kosa miaina anaty fianakaviana entin-dray. Ireo miaina anaty fianakaviana entin-dreny dia matetika manao fambolena mandehandeha.
 
Ny lehibe indrindra amin'ireo vondrom-bahoaka banto dia ahitana mponina an-ketsiny, ohatra ny Sôna (''Shona'') ao [[Zimbaboe]] (12 000 000 tamin' ny taona 2000), ny Zolo (''Zulu'') ao [[Afrika Atsimo]] (12 000 000 tamin' ny taona 2005), ny Loba (''Luba'') ao amin' ny [[Repoblika Demôkratikan'i Kôngô|Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]] (7 000 000 tamin' ny taona 2010), ny Sokona (''Sukuna'') ao [[Tanzania]] (9 000 000 tamin' ny taona 2016), ary ny Kikoio (''Kikuyu'') ao [[Kenia]] (8 000 000 tamin' ny taona 2019).