Paiso: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Hazo fihinam-boa
Andalana faha-1:
[[Sary:Breskva Collins - zametnuti plodovi.jpg|vignette|272x272px|Foto-paiso]]
[[Sary:Autumn_Red_peaches.jpg|thumb]]
Ny '''paiso''' dia [[zavamaniry]] mihintsan-dravina sady fihinam-boa. Avy any [[Sina]] eo anelanelan' ny lempona Tarim sy ny ilany avaratry ny Tendrombohitra Kunlun, ny paiso, nefa ankehiriny dia volena manerana izao tontolo izao, indrindra any amin’ ireo faritra manana [[Toetany antonony|toerany antonony]] mafana sy toetany ambanin’ ny zana-pehin-tany. Ny anaran’ ny paiso ara-tsiansa dia ''Prunus persica.''
 
== Toetoetran’ ny paiso ==
Ny '''paiso''' (''Prunus persica'') dia [[voankazo]] manjavozavo any amin'ny faritra avaratr'i [[Sina]] eo anelanelan'ny Koveta Tarim n sy ny ilany avaratry ny Tendrombohitra Kunlun, izay tany no niorenany voalohany sy nambolena voalohany.
 
=== Ny foto-paiso ===
Antonony ny haavon’ ny paiso izay mahatratra 2 m hatramin’ ny 7 m sady lalim-paka no haingam-pitombo ny paiso. Tsy maharitra ny fahaveloman’ ny paiso ka fara-fahelany dia eo amin’ ny telompolo taona.
 
=== Ny vonim-paiso ===
[[Sary:Fleurpecher.jpg|vignette|150x150px|Vonim-paiso]]
Mavokely ny lokon' ny vonim-paiso izay miseho alohan' ny raviny amin' ny fiafaran' ny ririnina na amin'ny fiandohan' ny lohataona (na amin' ny fahavaratra koa aza. ho an' ireo karazam-paiso tara faniry. Ny voim-paiso dia mitondra vavim-bony sy lahim-bony, misy felana dimy.
 
=== Ny voany ===
[[Sary:Pfirsiche.jpg|vignette|152x152px|Voam-paiso]]
Voankazo boribory, nofosana sy mamy ary be ranony ny voam-paiso rehefa masaka.
 
=== Ny ravim-paiso ===
[[Sary:Peches de vigne.JPG|vignette|152x152px]]
Zavamaniry manintsan-dravina ny paiso. Lavalava ravina ny paiso ka mirefy eo anelanelan' ny 8 sm sy 15 sm izany ravina izany sady manana sakany mirefy 2 sm hatramin' ny 3 sm.
 
== Ny karazana paiso ==
Mahatratra 300 any ho any ny karazana paiso, ka ny voan’ ny sasany misy hodiny voloina miloko mavo na fotsy sady misy vihy tsy miraikitra amin’ ny nofony, ny voan’ ny sasany voloina ihany koa nefa miraikitra amin’ ny hodiny ny vihiny, ny voan’ ny sasany malama hoditra sy misy vihiny tsy miraikitra amin’ ny nofony, ny voan’ ny sasany malama hoditra sy misy vihiny miraikitra amin’ ny nofony.
 
== Famokarana paiso ==
Ny paiso volena dia efa azo akana voany rehefa feno fito hatramin’ny sivy taona. Ny fivarotana paiso voatahiry dia misahana toerana lehibe amin’ny raharaham-barotra. Tamin’ ny tenantenan’ny taona 1980 dia mihoatra ny 445 000 tônina isan-taona ny paiso notehirizina tany [[Etazonia]] fa ny totaniny maneran-tany dia nahatratra 5 500 000 tônina. I Etazonia sy [[Italia]] no firenena mpamokatra sy mpaniondrana paiso betsaka indrindra maneran-tany. Isan’ ny mpanondrana paiso koa i [[Grisia]] sy i [[Frantsa]].
 
== Jereo koa ==
 
* [[Paoma (maniry)]]
* [[Manga (maniry)]]