Pastora: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-10:
 
=== Ao amin'ny Testamenta Taloha ===
Ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] dia ampitahaina matetika amin' ny mpiandry ondry Andriamanitra. Ao amin' ny Salamo faha-23, izay isan' ireo salamo fantatra indrindra sady ampahatsiahivina matetika ao amin' ireo fiangonana prôtestanta, indrindra mandritra ny lanonam-pandevenana izay atomboka amin' ny hoe "Jehovah no mpiandry ahy".
 
=== Ao amin' ny Testamenta Vaovao ===
 
==== Ao amin' ny Filazantsara ====
[[Sary:V&A - Raphael, Christ's Charge to Peter (1515).jpg|vignette|276x276px|''Maniraka an' i Petera i Jesoa'', sary nataon' i Raffaello Sanzio, 1515.]]
Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] ny teny hoe mpiandry dia ampiasaina matetika, isan' ny nampiasa azy koa i Jesoa. Ao amin'ny fanoharana momba ny ondry (ny [[ondry very ka hita indray]], Mat. 18.12; ireo ondry mihaino sa mahafantatra ny feon' ny mpiandry azy). Rehefa mitany ny tenany amin' ny maha mpitari-dalana azy i Jesoa dia mikaza hoe "Izaho ny mpiandry tsara". Noho izany dia izy no modelin'ny mpiandry tsara. Rehefa niteny indroa tamin'ny [[Petera]] izy hoe "Andraso àry ny zanak' ondriko" ary indray mandeha hoe "Andraso ny ondriko" (Joa. 21.15-17) izay nanomezany an' i Petera ny andraikitra ny ho mpitarika ny mpino sy ny Fiangonana.
 
==== Ao amin' ny Epistily ====
I [[Paoly (apostoly)|Paoly]] apostoly ao amin' ny taratasy (epistily) nosoratany ho an' ny Kristiana tany Efeso ([[Epistily ho an'ny Efesiana|Efesiana]]), dia miresaka ny amin' ny mpiandry (pastora), izay hiandraikitra ny fanofanana ny mpino amin' ny asa fanompoana" (Efes. 4.10-11). Araka io lahatsoratra io, ny anjara asa lehibe iandraiketan' ny pastora dia ny hanofana ny Kristiana mba hahafahan' izy ireo, araka ny fiantsoana azy, hiaina araka ny niantsoan' Andriamanitra azy avy. Ny asan' ny pastora dia raharaha omen' Andriamanitra ny Fiangonana (Efes. 4.11-12).
 
== Fampiasana ny teny hoe ''pastora'' amin' ny fiangonana samihafa ==
 
=== Pastora ao aminny Katôlisisma ===
Ao amin' ny [[fiangonana katôlika]] dia mety nanondroana ny olona rehetra miandraikitra ny fitarihana ara-panahy ny mpivavaka ny teny hoe ''pastora'', ka ampiasaina indraindray hilazana ny [[pretra]] na ny [[eveka]]. Amin'ny [[teny anglisy]] amerikana sy any [[Alemaina]] avaratra ary amin' ny [[Fiteny neerlandey|teny neerlandey]] dia atao hoe pastor na pastoor ny curé.
 
=== Pastora ao amin' ny prôtestantisma ===
 
=== Pastora ao amin' ny evanjelisma ===
Miandraikitra ny fitarihana sy fampianarana ary fanoroan-kevitra ny fiangonana ny pastora [[Evanjelisma|evanjelika]]. Ny fianaran' ny pastora dia tanterahina amin' ny toeram-pianarana [[teôlôjia]] evanjelika mandritra ny iray taona hatramin' ny efatra taona. Matetika atao ao amin' ny fiangoanana an-toerana ny fanokanana pastora, ka ao izy no aperaka ho mpivaofy ny Baiboly. Afaka manambady sy manan-janaka ny pastora evanjelika.
 
== Jereo koa ==