Pastora: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''pastora''' na '''pasitera''' dia olona misahana ny fitantanana sy ny fampianarana ao amin' ny fiangonana, ka ny fiangonana [[Protestantisma|prôtestanta]] sy ny [[Evanjelisma|fiangonana ara-pilazantsara]] (na evanjelika) no ahitana izany. Ahitana pastora ([[diakra]] na [[pretra]]) koa ny [[Eglizy katôlika rômanina|fiangonana katôlika]] na [[ôrtôdôksa]], nefa tsy raisina amin' ny heviny mitovy amin' ny an' ny Prôtestanta na ny Evanjelika ny hevitr' io teny io.
 
Ny teny hoe ''pastora'' na ''pastera'', izay fanagasiana ny [[teny frantsay]] hoe ''pasteur'' na ny [[teny anglisy]] hoe ''pastor'', izay midika hoe "mpiandry", dia mampahatsiahy ny lohahevitra momba ny "mpiandry tsara" ao amin' ny [[Baiboly]], indrindra ny ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], sy momba ny fanonondroana an' i [[Jesoa]] ho ilay "[[mpiandry tsara]]".
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''pastora'' [[fanagasiana]] ny [[teny anglisy]] hoe ''pastor'', fa ny teny hoe ''pasitera'' kosa doa fanagasiana ny [[teny frantsay]] hoe ''pasteur''. Ireo teny ireo dia samy midika hoe "mpiandry" (izany hoe mpiandry andiam-biby fiompy), toy ny omby, ny ondry, ny osy, sns. Ireo teny roa ireo dia avy amin' ny [[teny latina]] hoe ''pastor'', izay midika hoe "mpiandry ondry" sady nisampana avy amin' ny [[matoanteny]] latina hoe ''pascere'' "mampihinana", "mitondra hihinana". Ny mpino kristana izany dia oharina amin' ny andian' ondry izay andrasan' ny mpiandry azy.
 
== Jereo koa ==
Ligne 9 ⟶ 12 :
 
* [[Eveka]]
*[[Mpiandry]]