Môsikao: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
2017 source edit
fix
Andalana faha-13:
Eo amin'ny renirano [[Moskova]] ny misy an'i Môsikao, mitovy anarana amin'ilay renirano ilay tanàna amin'ny [[fiteny rosy]]. Eo amin'ny [[Distrika Ampivoany (Rosia)|distrika ampivoany]], amin'ny lafy eoropeaninan'i Rosia ny misy an'i Môsikao.

Môsikao dia ny tanàna ngeza indrindra any [[Eoropa]] amin'ny isam-poniny mahatratra 10,22 tapitrisa mahery ao an-d[[renivohitra]] ary 14,74 tapitrisa raha isaina ny [[ambanivohitra]]. Renivohitra ara-toe-karena, ara-politika sy ara-pahaizan'i Rosia ny Môsikao, ary 8,9% ny olona any Rosia miaina any Môsikao.

Betsaka ny fandraisana anjaran'ny tanànan'i Môsikao ao amin'ny tantaran'ny Rosia : Renivohitra ny Grand-Duché-n'i Môsikao izy, ary lasa renivohitra ny [[Empira Rosy]]; nafindran'i Pierre le Grand (Petera Ilaibe) tany [[Saint-Petersbourg]] ny renivohitra; very lanja ny tanànan'i Môsikao hatramin'ny taona 1918; Lasa renivohitry ny URSS Môsikao tamin'ny taona [[1918]]. Fantatra amin'ny fanam-pananana ara-[[maritrano]] i Môsikao: ao ny [[Kremlin]] miaraka amin'ny fehivolany, ny [[katedraly St Basile]] eo amin'ny [[Kianja Mena]], ny [[katedralin'i Kristy Mamonjy]] sy ny Sera Stalinianina Fito. Any Môsikao ny foiben'ny [[Patriarka]]<nowiki/>n'ny [[fiangonana Ortodoksa Rosy]] an'ny monasteran'i Danilov. Eo amin'ny toeran'ny Kremlin sy ny Kianja Mena ny ampovoan'i Môsikao.

Antsoin'ny mponina Rosy "Матушка Москва" ({{'|Matuška Môsikao}}) (Reny Môsikao) ny tananan'i Môsikao.

Foiben'ny [[oniversite]] maromaro ny tanàna, tany no nisy ny [[Kilalao Olimpika]] tamin'ny [[1980]].

Andalana faha-21:
[[Sary:Moscow-city-MIBC.jpg|thumb|[[Moscow City]]|280px|right]]
Araka ny fanisam-bahoaka natao tamin'ny 2008, 10 382 754 ny isan'ny olona tany Môskao. Ny faminavinana natao ho an'ny taona 2007 dia mampiseho fa efa nihoatra ny 12 tapitrisa ny isan'ny mponina. Kanefa io isa io tsy manisa ny olona tsy manana alànana mipetraka sy ny gastarbeiter miaina any an-tanàna. Avy any amin'ny Kaokazy (Azerbaijana, Armenia, Jeorjia) sy Azia Ampovoany (Kazakstana, Ozbekistana, Tajikistana) ny ankabeazan'ny olona miaina any. Misy ihany koa ny mponina avy amin'ny firenen'ny URSS taloha.

I Môsikao dia anisan'ny tanàna manana fitomboana tsy mihemotra any Rosia: tamin'ny 2006, +0,22% ny fitomboany. Ny taham-pahaterahana tamin'ny 2006 dia 9,2‰2% ary ny taham-pahafatesana dia 12‰12%. Kely ny elanelan'ny taham-pahatrerahana sy ny taham-pahafatesana any Môsikao noho ny any an-tsisan'i Rosia: -0,28% any Môsikao ary -0,48% eran'ny firenena. Ny antony mampiakatra ny isan'ny mponin'ilay tanàna dia izao: betsaka ny olona avy any amin'ny tanàna hafa. Ary ny pôlitikan'ny governemanta koa no mampiakatra azy io. Efa nidina betsaka mihitsy ny fahafatesana ary niakatra fito taona ny salan'ny halavam-piainana any Môsikao.

== Ny tanàna ==