Iblisy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I '''Iblisy''' dia ny [[Devoly]] ao amin' ny [[fivavahana silamo]]. Atao hoe إبليس) / ''Iblis'' izy amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]]. Ao amin' ny famoronana an' i [[Adama]] sy ny nampiankohofan' Andriamanitra azy eo anatrehan' i Adama no iresahana azy misimisy kokoa.
 
Nanda tsy hiankohoka eo anarehan' i Adama izy ka noroahina avy tany an-danitra. Izany fahalavoany izany no ampitahana azy amin' i Satana ao amin' ny fivavahana kristiana. Amin' ny lovantsofina silamo dia heverina ho i Seitana (''al-Shaitan'') ihany i Iblisy. Ny anarana hoe Seitana na Saitana anefa ampiasaina manokana hanondroana ny hery ratsy, fa i Iblisy kosa dia misahana anjara asa misabaka ao amin' ny finoana silamo.
 
== Ny mombamomba an' i Iblisy ==
Voatsiahy matetika ao amin' ny Kor'any ny anaran' i Iblisy, indrindra ao amin' ny soràta faha-15 sy faha-17 ary faha-38. Miseho matetika koa ny anarana hoe Seitana. I Iblisy no lehibe indrindra amin' ireo fanahy ratsy araka ny lovantsofina silamo. Indraindray izy dia everina ho anjely potraka, nefa indraindray koa ho jiny. I Iblisy no mahery indrindra amin' ny jiny sady lehiben' izy ireo.
 
== Ny fikomian' i Iblisy ==
 
== Jereo koa ==