Iblisy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Seitana ho Iblisy i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Votoatiny novaina ho « == Jereo koa == * Jiny * Ifrity »
Andalana faha-1:
Ny '''seitana''' na '''saitana''', araka ny finoan' ny Miozolmana, dia karazana [[demony]]. Atao amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe شيطان‎ / ''shayṭān'' raha milaza tokana, fa شياطين / ''shayāṭīn'' kosa raha milaza maro. Mifandray amin' ny teny hoe ''satana'' ao amin' ny [[fivavahana kristiana]] ny hoe ''seitana'' ka indraindray afaka mifampisolo ny hoe ''seitana'' sy ny hoe ''satana'' raha resahina ny [[finoana silamo]]. Misy ny fahasamihafana eo amin' ny finoana silamo raha ny amin' ny fiandohan' ny demony no resahina. Ny seitana dia mety ho sokajin-javaboary voaroaka avy any an-danitra, na taranak' i [[Iblisy]] (arabo: إِبْلِيس‎ / ''Iblis''). Tsy mitovy amin' ny [[jiny]] sy ny olombelona ny seitana satria tsy mety maty nefa hofoana rehefa rava izao tontolo izao, ary ny vavaka dia afaka mandevona na mandroaka azy ireo. Tsy mitovy amin' ny jiny na ny olombelona anefa ny seitana satria tsy hahazo [[famonjena]]. Misy koa ny finoana ilazana fa miezaka ny hankany an-danitra ny seitana nefa mandroaka azy ireo ny [[anjely]] na ny kinta-mitsoriaka. Amin' ny ankapobeny dia tsy mipetraka amin' olombelona ny seitana fa mibitsibitsika [[Fanahin'olombelona|fanahiny]] sady mitaona azy amin' ny lainga sy ny [[fahotana]]. Antsoina amin' ny teny arabo hoe ''waswās'' izy ireo ary afaka miditra ao am-pon' ny olona mba hanaratsy toetra azy, indrindra amin' ny fanomezany azy fihetseham-po mafy toy ny fikorontanan-tsaina mitondra lahelo sy hakiviana na hatezerana.
 
== Jereo koa ==