Demony: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-87:
 
==== Ny saitana ====
Mitovy amin'ny demony araka ny fiheverana tandrefana ny [[seitana]] na saitana ([[Fiteny arabo|arabo]]: شيطان‎ / ''shayṭān''',''''' raha milaza tokana; شياطين / ''shayāṭīn'', raha milaza maro) <ref><small>Charles Mathewes, ''Understanding Religious Ethics,'' John Wiley & Sons, <nowiki>ISBN 978-1-405-13351-7</nowiki>, p. 249</small></ref>. Mifandray amin'ny teny hoe ''satana'' ao amin'ny [[fivavahana kristiana]] ny hoe ''seitana'' ka indraindray afaka mifampisolo raha resahina ny finoana silamo. Misy ny fahasamihafana eo amin'ny finoana silamo raha ny amin'ny fiandohan'ny demony no resahina. Ny seitana dia mety ho sokajin-javaboary voaroaka avy any an-danitra, na taranak'i [[Iblisy]] (arabo: إِبْلِيس‎ / ''Iblis'')<ref><small>Robert Lebling, ''Legends of the Fire Spirits: Jinn and Genies from Arabia to Zanzibar,'' I.B.Tauris, 2010, <nowiki>ISBN 978-0-857-73063-3</nowiki>, p. 141</small></ref>. Tsy mitovy amin'ny jiny sy ny olombelona ny seitana satria tsy mety maty nefa hofoana rehefa rava izao tontolo izao, ary ny vavaka dia afaka mandevona na mandroaka azy ireo <ref><small>Hajjah Amina Adil, ''Muhammad the Messenger of Islam: His Life & Prophecy,'' BookBaby, 2012, <nowiki>ISBN 978-1-618-42913-1</nowiki>, "Ezra"</small></ref>. Ny seitana anefa tsy mitovy amin'ny jiny na ny olombelona satria tsy hahazo famonjena izy ireo. Misy koa ny finoana ilazana fa miezaka ny hankany an-danitra ny seitana nefa mandroaka azy ireo ny [[anjely]] na ny kinta-mitsoriaka. Amin'ny ankapobeny dia tsy mipetraka amin'olombelona ny seitana fa mibitsibitsika amin'ny fanahiny sady mitaona azy amin'ny lainga sy ny fahotana. Antsoina amin'ny teny arabo hoe ''waswās'' izy ireo ary afaka miditra ao am-pon'ny olona mba hanaratsy toetra azy, indrindra amin'ny fanomezany azy fihetseham-po mafy toy ny fikorontanan-tsaina mitondra lahelo sy hakiviana na hatezerana<ref><small>ʻUmar Sulaymān Ashqar, ''The World of the Jinn and Devils,'' Islamic Books, 1998, p. 203</small></ref>.
 
==== Ny ifrity ====
Misy karazam-panahin-demony hafa koa antsoina hoe ''ifrity'' ([[Fiteny arabo|arabo]]: عف/ '''ifrīt'', raha milaza tokana; عفاريت / afārīt''''',''' ''raha mlilaza maro) ka na dia tsy misy aza filazalazana momba ny toetrany ao amin'ireo lahatsoratra kanonikan' ny finoana silamo dia hita ao amin'ny finoam-bahoaka ny filazana azy ho manana toetra sahala amin'ny an'ny matoatoa mpanao ratsy, izay mivoaka aorian'ny fahafatesana. Misy koa ny mino fa karazana seitana ihany ny ifrity izay misintona ny herim-piainan'ny olona nisy namono. Fanampin'izany dia tsy mitovy tanteraka amin'ny seitana ny ifrity raha ny fiaviany no heverina <ref><small>A.G. Muhaimin, ''The Islamic Traditions of Cirebon: Ibadat and Adat Among Javanese Muslims,'' ANU E Press, 2006, <nowiki>ISBN 978-1-920-94231-1</nowiki>, p. 38</small></ref>.
 
== Jereo koa ==