Foko eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ethnic groups of Madagascar Map.png|vignette|Sarintanin'i Madagasikara maneho ny faritra misy ireo foko ao aminy.]]
Ny '''foko eto Madagasikara''' dia vondron' olona isan' ny [[vahoaka malagasy]] izay heverina fa iray faritra niaviana, nanana fandaminana ara-politika iraisany na nitoviany tamin' ny vanimpotoana faha mpanjaka, manana ny fomba fitenenany ny [[teny malagasy]] izay atao hoe fitenim-paritra, sns. Tsy misy famaritana tokana eken' ny maro ny hoe ''foko'' ka tsy fantatra noho izany ny tena isan' ny foko eto Madagasikara. Mahazatra ny maro anefa ny miteny hoe "foko valo ambin'ny folo" na dia mety tsy mifanandrify amin' ny tena marina izany. Ao mantsy ireo izay milaza fa mihoatra ny roapolo ny foko eto Madagasikara. Ny foko sasany dia mety vondrom-poko raha ny tena marina noho ny faritra misy azy midadasika loatra. Ny hafa indray dia mety zana-poko noho izy vitsy, monina amin' ny faritra kely dia kely sady tsy mifankaiza amin' ny foko mifanila faritra iaviana aminy na ara-piteny na ara-kolontsaina. Tsy singa amaritana ny atao hoe "foko" eto Madagasikara na ny fihodirana, na ny toetran' ny volo, na ny toe-batana. Ny fitenim-paritra koa dia matetika tsy heverin' ny mpanoratra sasany ho singa mamaritra ny atao hoe "foko".
 
==== Ny Antefasy ====
Ny [[Antefasy]] na Antaifasy na Tefasy dia foko iray ao Madagasikara ao amin' ny morontsiraka atsimo atsinanana, ao amin' ny faritra manodidina an' i [[Farafangana]]. Eo anelanelan' i [[Manampatrana|Manampatra]] sy Mananara atsimo izy ireo, izany hoe eo afovoan' ny Antemoro ao avaratra sy ny Antesaka ao atsimo.
 
==== Ny Antemoro ====
Ny [[Antemoro]] na Antaimoro dia foko ao amin' ny faritra [[Vatovavy-Fitovinany]]. Nampalaza ny foko Antemoro teo amin' ny tantara ny fanoratana ny [[Sorabe]], ny famakiana ny kintana ([[Fanandroana malagasy|Fanandroana]]), fandravonana ny disadisa nisy tamin' ireo foko sasany tany atsimon' i Madagasikara. Eo anelanelan' i [[Namorona]] sy [[Manampatrana]] no fonenany. I [[Vohipeno]] sy i [[Manakara]]<nowiki/>no tanàna lehibe any aminy.
 
==== Ny Antesaka ====
Ny [[Antesaka]] na Antaisaka na Tesaka dia [[Foko eto Madagasikara|foko]] iray ao atsimo atsinanan' i Madagasikara. Ao aminny [[distrikan'i Vangaindrano|distrikan' i Vangaindrano]],[[faritra Atsimo-Atsinanana]], no betsaka azy ireo. Ny faritra onenany dia eo anelanelan' i [[Mananivo]] ao avaratra, Itomampy syIonaivo ao andrefana, ary Lavibola ao atsimo. Tanàna lehibe ao aminy dia i [[Vangaindrano]] sy i Midongy Atsimo.
 
==== Ny Antakarana ====
Ny [[Antakarana]] na Antankarana na Tankarana dia foko ao amin' ny tendro avaratr' i Madagasikara, ao amin' ny [[Faritanin'Antsiranana|Faritanin' Antsiranana]]. Monina amin' ny faritra lavalava manaraka avy eo Ampasimena (andrefana) mankany [[Vohimarina]] (Vohémar). I [[Antsiranana]], sy i Vohimarina no tanàn-dehibe any.
 
==== Ny Antambahoaka ====
Ny [[Antambahoaka]] dia foko iray ao atsimo atsinanan' i Madagasikara, eo anelanelan' i Sakaleona sy [[Namorona]]. I [[Mananjary]]<nowiki/> no tanan-dehibe any.
 
==== Ny Antandroy ====
Ny [[Antandroy]] dia foko ao amin'ny tendron'i Madagasikara atsimo indrindra monina amin'ny tany eo anelanelan'ny ony [[Menarandra]] ao andrefana sy [[Mandrare]] ao atsinanana ary ny havoana Vohimainty ao avaratra.
 
==== Ny Antanosy ====
Andalana faha-37:
==== Ny Mahafaly ====
Ny [[Mahafaly]] dia foko monina amin'ny misy havoana marin-tampona midadasika, be sokay sy fasika, eo anelanelan'ny ony[[Onilahy (renirano)|Onilahy]] sy [[Menarandra]], any amin'ny [[faritra Atsimo-Andrefana]]. Ny tanàna lehibebe misy ny Mahafaly: [[Betioky-Atsimo]] sy[[Ejeda]] ary [[Ampanihy]].
 
==== Ny Makoa ====
Ny [[Makoa (malagasy)|Makoa]] dia foko monina ao amin' ny morontsiraka avaratra andrefan' i [[Madagasikara]]. Ny mponina ao ampovoan-tanin' i Madagasikara dia miantso azy ireo hoe ''Masombika''.
 
==== Ny Masikoro ====
Ny [[Masikoro]] dia foko any amin' ny morontsiraka atsimo andrefan' i [[Madagasikara]] izay mivelona indrindra amin' ny fiompiana sy ny fambolena.
 
==== Ny Merina ====
Ny [[Merina]] dia foko monina ao afovoan'i Madagasikatra, eo amin'ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin'i Vonizongo ao avaratra, ny tendrombohitr'[[Ankaratra]] ao atsimo, ny reniranon'i [[Sakay]] ao andrefana, ary ny tandavan-tendrombohitr'Angavoao atsinanana. Ireto ny tanàn-dehibe ao misy ny Merina: [[Antananarivo]], [[Antsirabe]], [[Ambatolampy]], [[Arivonimamo]], [[Miarinarivo]],[[Manjakandriana]], [[Soavinandriana]].
 
==== Ny Mikea ====
Ny [[Mikea]] dia vahoaka malagasy monina any anaty ala any amin' ny faritra atsimo andrefan' i [[Madagasikara]] izay mivelona amin' ny fihinanana ny zavamaniry sy ny biby any anaty ala.
 
==== Ny Sakalava ====
Ligne 45 ⟶ 54 :
 
==== Ny Sihanaka ====
Ny [[Sihanaka]] dia foko manodidinamonina ny farihin' Alaotra, voafaritry ny renirano [[Bemarivo]] Ambony sy Tampoketsa Atsimo ao avaratra, ny renirano [[Mahajamba]] Ambony ao andrefana, ary ireo havoana misy ny [[Bezanozano]] sy ny ala ao atsinanana. Ny tanàna lehibe any dia [[Ambatondrazaka]].
 
==== Ny Tanala ====
Ligne 52 ⟶ 61 :
==== Ny Tsimihety ====
Ny [[Tsimihety]] na Antandroña dia foko any amin'ny faritra andrefana avaratra Madagasikara, ao amin'ny [[faritanin'i Mahajanga]], monina amin'ny faritra eo anelanelan'ny tanin'ny Antankarana avy ao avaratra, ny Betsimisaraka avy ao atsinanana, ny Sihanaka avy atsimo, ary ny Sakalava avy ao andrefana. Ireto ny tanàna lehibe any: [[Antsohihy]], [[Mandritsara]],[[Befandriana-Avaratra]], [[Mampikony]], [[Boriziny]] ary [[Bealanana]].
 
==== Ny Vezo ====
Ny [[Vezo]] dia foko moninina any amin' ny morontsiraka atsimo andrefan' i [[Madagasikara]] izay mivelona indrindra amin' ny fanjonoana an-dranomasina.
 
==== Ny Zafimaniry ====
Ny [[Zafimaniry]] dia [[foko malagasy]] monina ao amin'ny tapany atsimo atsinanan'ny faritra afovon'i [[Madagasikara]], izay azo heverina ho zana-pokon'ny [[Betsileo]], nefa mifanakaiky [[kolontsaina]] koa amin'ny [[Tanala]].
 
==== Ny Zafisoro ====