Antemoro: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
[[Sary:Papier antaimoro.jpg|200px|Taratasy antemoro|thumb]]
 
Ny '''Antemoro''' na '''Antaimoro''' dia foko ao amin'ny tapany atsimo atsinanan'i [[Madagasikara]], ao amin'ny faritra [[Vatovavy-Fitovinany]]. Nampalaza ny foko Antemoro teo amin'ny tantara ny fanoratana ny [[Sorabe]], ny famakiana ny kintana ([[Fanandroana malagasy|Fanandroana]]), fandravonana ny disadisa nisy tamin'ireo foko sasany tany atsimon'i Madagasikara. Eo anelanelan'i [[Namorona]] sy [[Manampatrana]] no fonenany. I [[Vohipeno]] sy i [[Manakara]]<nowiki/>no tanàna lehibe any aminy. Niisa 500 000 any ho any ny Antemoro tamin' ny taona 2013.
 
Ny anaran'io foko io dia avy amin'ny teny hoe "morona". Araka ny lovantsofina dia manana ny fiaviana [[Arabo (olona)|arabo]] ny Antemoro. Avy amin'ny anaran'io foko io no niavian'ny [[taratasy antemoro]] izay natao ho fanaingoana. Ny Antemoro no nitondra ny [[sorabe]] voalohany tao Madagasikara. I [[Ramakararo]] no mpanjaka voalohany tao izay nipetraka tao Ivato, ka antsoina hoe Fenovola ny lapany. Nampalaza ny foko Antemoro teo amin'ny tantara ny fanoratana ny Sorabe, ny famakiana ny kintana ([[fanandroana]]), fandravonana ny disadisa nisy tamin'ireo foko sasany tany atsimon'i Madagasikara. Anisan'ny Antemoro nalaza ireo nafaran'[[Andrianampoinimerina]] ho lasa mpanolo-tsainany sy nampianatra an-d[[Radama I]].