Fanalana faditra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fomba malagasy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
 
== Ny faditra tian-kalana ==
Ny faditra dia ny zavatra ratsy mahazo na mety hahazo ny tena, izay vokatry ny [[vintana]] ratsy na ny zavatra nataon’ ny sasany amin’ ny tena (toy ny mosavy na vorika). Esorina na sorohina amin' ny alalan’ ny fombafomba efa raikitra ny faditra ka izany no atao hoe “ala faditra”. Raha mikasika ny vintan-dratsy manokana ny ala faditra dia atao hoe "[[fanalana vintana]]". Raha faditra mifandray amin' ny andro ao amin' ny herinandro (Alatsinainy, Talata, sns) kosa no halana dia atao hoe "[[fanalana faditra andro]]".
 
Ny fanalana faditra dia tanterahina:
Andalana faha-21:
=== Ala faditra tanterahin’ ny mpamaditra ===
Raha tsy mahomby ny ala faditra tsotsotra, na raha lehibe ihany ny zava-dratsy tokony hanaovana faditra, indrindra fa raha ny sain’ ilay olona alam-paditra no voa, dia antsoina amin’ izany ny "mpamaditra". Raha mosavy no nahazo ny tena dia ombiasa mahay kokoa noho izay nanao ny mosavy no tokony manala faditra. Ny mpamaditra dia manao ny ala faditra izay androahana ny [[fanahy ratsy]] sy iantsoana ny razana, izay atao ankarihary atrehin’ olona maro. Mihorakoraka sy miantsa ny mpanatrika.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Fanandroana malagasy]]
* [[Sikidy malagasy]]