Fandroahana fanahy ratsy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:St. Francis Borgia Helping a Dying Impenitent by Goya.jpg|vignette|387x387px|''Masindahy Francis Borgia mandroaka demonia amin'ny olona miala aina'', nataon'i Francisco Goya.]]
Ny '''famoahana fanahy ratsy''' na '''fandroahana fanahy ratsy''', dia fanao ao amin' ny [[fivavahana]] na amin' ny fanaovana hatsarana izay anafahana ny olona iray na ny toerana iray amin' ny [[fanahy ratsy]] mipetraka aminy na mikasa hipetraka aminy. Ny Kristiana dia manao hoe '''famoahana''' na '''fandroahana demonia''' na '''demony'''.
 
Ny fandroahana fanahy ratsy dia matetika sahanin' olona manana fahefana ara-pivavahana manokana, ka mety ho [[pretra]] na karazana [[ombiasa]], ohatra, izany.
 
== Famoahana fanahy ratsy teo amin' ireo fivavahana tamin' ny Andro Taloha ==
Teo amin' ny fiarahamonina tamin' ny [[Andro Taloha]] dia nankinina amin' ny fanaovana majika ny fandroahana fanahy ratsy. Ny [[Babilona|Babiloniana]] dia nanana [[mpisorona]] (pretra) manokana izay manimba ny sarin' ny [[demony]] vita amin' ny fotaka na lasira mba hamotehana ny demony. Misy fombafombafomb afomba hafa atao sahalahala amin' izany koa ny teo amin' ireo [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egiptiana]] sy Grika tamin' ny Andro Taloha. Ankehitriny dia maro ireo fivavahana izay mbola mandroaka fanahy ratsy na demony.
 
Fanao hita saika maneran-tany ny fandroahana fanahy ratsy. Tokony ho efa hita tany [[Mesopotamia]] izany tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. ary hita porofo fa nisy izy io tany tamin' ny taonarivo voalohany tal. J.K.
 
== Famoahana fanahy ratsy ao amin' ireo fivavahana abrahamika ==
 
=== Famoahana demonia ao amin' ny jodaisma ===
Mety ho avy amin' ireo vahoaka [[Semita (olona)|semita]] tamin' ny Andro Taloha no nipoiran' ny famoahana fanahy ratsy, araka ny hita ao amin' ny [[Bokin'ny Levitikosy|Bokin' ny Levitikosy]] na Levitika (Lev. 16.20-22) ao amin' ny [[Baiboly]].
 
I [[Flavio Josefa]] dia mitatitra fa ny fandroahana demonia dia notanterahina amin' ny fanomezana ranon-javatra avy amin' ny fakan-javamaniry mahafaty sy zavatra hafa amin' ny alalan' ny fanaovana [[sorona]]<ref><small>Josephus, "[http://www.earlyjewishwritings.com/text/josephus/war7.html B. J." vii. 6, § 3]; Sanh. 65b.</small></ref>.
 
Ny [[raby]] Yehuda Fetaya (1859-1942) dia nanoratra ny boky atao hoe ''Minchat Yahuda'' izay mamelabelatra ny amin' ny famoahana fanahy ratsy, sy ny zavatra niainany miaraka amin' ireo olona itoeran' ny fanahy ratsy, sy ny lohahevitry ny fandinihana jiosy. Io boky io dia voasoratra amin' ny [[fiteny hebreo]] fa nadika amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] taty aoriana.
 
Ny fombafomba fanao amin' ny fandroahana fanahy ratsy dia tanterahin' ny [[raby]] izay mahafehy tsara ny fanao amin' ny [[Kabala]]. Tokony hatrehin' ny ''minyan'' (vondron-dehilahy folo), izay mivory manao faribolana manodidina ilay olona itoeran'ny fanahy ratsy. Manonona ny [[Bokin'ny Salamo|Salamo]] faha-91 intelo izy ireo avy eo mitsoka tandrok' ondry (''[[shofar]]'') ny raby<ref name=":0"><small>Belanger, Jeff (29 November 2003). "[http://www.ghostvillage.com/legends/2003/legends32_11292003.shtml Dybbuk – Spiritual Possession and Jewish Folklore]". ''Ghostvillage.com''. Nojerena 12 Desambra 2014.</small></ref>.
 
Tsofina hamoaka feo hafahafa sy amin'ny haavom-peo samihafa ny ''shofar'' mba "hahatonga ny vatana ho vaky" ka hahafahan' ny hery ratsy mitoetra ao aminy hivoaka. Rehefa avy nohozongozonina ilay olona itoeran' ny fahahy ratsy dia miteny aminy amin' izay ilay raby sady manontany azy toy izao: inona no antony itoeran' ny fanahy ratsy ao amin'ny vatan' ilay olona ? Afaka mivavaka ho azy sady afaka manomana fombafomba ny ''minyan'' mba hahazoany antoka tsara ny handaozany ny vatan' ilay olona<ref name=":0" />.
 
=== Famoahana demonia ao amin' ny kristianisma ===
[[Sary:JesusCuresamute.gif|lien=https://mg.wikipedia.org/wiki/Sary:JesusCuresamute.gif|vignette|''I Jesosy mamoaka demonia avy amin'ilay moana'', sary nataon'i Gustav Dore, 1865.]]
 
==== Ao amin' ny Testamenta Vaovao ====
Ao amin' ny [[Baiboly]] dia ahitana andalana mitantara fandroahana [[demonia]]. Mitantara an' i [[Jesosy]] mandroaka demonia amin' ny alalan' ny [[vavaka]] sy ny fahefanana ahafahany mandidy ny ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]]. Ao amin' ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] dia asa manokana sahanin' ny [[eveka]] sy ny [[pretra]] mpisolo azy ny fandroahana demony. Ny fiomanana amin' ny fanaovam-[[batemy]] no anaovana azy. Mbola notazonina ho fanao ao amin' ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]] ny famoahana demonia.
 
NanatanterakaNanatan teraka famoahana demonia matetika i [[Jesosy]] araka ny hita ao amin' ireo [[Filazantsara|evanjely]], indrindra ny [[Evanjelin'i Matio|Evanjelin' i Matio]] sy ny [[Filazantsara araka an'i Marka|an' i Marka]] ary ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|an' i Lioka]] (jereo ohatra: Mat. 8.28-34; Mat. 9.32-34; Mat. 12.22-24; Mat. 15.21-28; Mar. 1.23-28; Mar. 5.1-20; Lio. 4.33-36; Lio. 8.26-39; Lio. 11-14; Lio. 13.10-17).
 
==== Fanaon'ny Kristiana taty aorian'ny andron'ny Apostoly ====