Fifohazam-panahy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''fifohazam-panahy''' na '''fifohazana kristiana''' na '''revivalisma''' dia fihetsiketsehana mahakasika olona maro (ara-piaraha-monina na eo amin' ny fiangonana, isan-toerana na isam-pirenena na manerana izao tontolo izao) izay mikendry ny fihavaozana ara-panahy sy ny hamohazana ny finoana matory sy tsy mitombo ary mandeha am-pahazarana. Ireo fihetsiketsehana ireo dia niseho eny antsefatsefaky ny tantaran' ny [[protestantisma]] ary niseho matetika sady matanjaka izy ireo ao [[Etazonia]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Manome lanja ny fitiavam-bavaky ny tsirairay ara-pahavelomana sy ara-pihetseham-po izay fohazina hiala amin' ny finoana heverina fa lefy hery ireo fihetsiketsehana ireo. Mety ho soratana hoe '''''revivalisma''''' koa ny fifohazam-panahy.
 
Ny fifohazam-panahy dia famerenana amin' ny laoniny ny fiangonana mba hanam-pifandraisana velona amin' Andriamanitra taorian' ny fotoana nampitontongana ny fitondran-tena. Ny fiovam-pon'ny olona maro amin' ny fotoana iray dia heverin' ireo mpitarika ny fihetsiketsehana fa hisy vokany ara-pitondran-tena.
 
Araka ny fandinihana ataon' ny Kristiana dia avy amin' ny tantara ao amin' ny [[Baiboly]] ny hevitry ny hoe fifohazam-panahy. Izany dia momba ny fitontongan' ny firenena sy ny fanarenana azy teo amin' ny tantaran' ny [[Zanak'i Israely|Zanak' i Israely]]. Ohatra amin' izany ny tantaran' ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan' i Israely]] sy ny [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan' i Jodà]] izay manasongadina ny vanim-potoan' ny fitontonganan' ny firenena sy ny fifohazana tamin' ny fanapahan' ireo mpanjaka hendry sy ny an' ireo mpanjaka ratsy fanahy. I [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]] (na Josiasa) no mpanjaka voalaza ao amin' ny Baiboly fa nanorina indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sady namerina amin' ny laoniny ny fivavahana amin' i [[Iahveh]] tamin' ny nandravany ny fivavahan' ireo [[Fanompoan-tsampy|mpanompo sampy]].
 
Raha momba ny Fiangonana tamin' ny [[Andro Vaovao]] dia iadian' ireo mpahay tantaram-piangonana hevitra sady ezahiny fantarina ny vokatr' ireo fifohazam-panahy tao [[Etazonia]] sy tamin' ny firenana hafa. Nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19 dia niatrika fifohazam-panahy maro dia maro ny vahoaka tao Etazonia nanodidina ny taona 1727, 1792, 1830, 1857 ary 1882. Isan' ireo fifohazam-panahy niseho vao tsy ela tamin' ny taonjato faha-20 ny Fifohazam-panahy galoà tamin' ny taona 1904 sy 1905, ny Fifohazam-panahin' i Azusa Street tamin' ny taona 1906, ny Fifohazam-panahin' ny Balokole (ao [[Afrika]]) tamin' ireo taona 1930 izay natombok' i Simeon Nsibambi, ny Fifohazam-panahin' ny Vahoakan' i Jesosy (anglisy: ''Jesus people'' na ''Jesus movement'') tao Etazonia tamin' ireo taona 1970, ny Fifohazam-panahin' i Bario tamin' ny taona 1971 ary ny Fifohazam-panahy tao [[Silia|Silý]] tamin' ny taona 1909, izay niely any [[Amerika Atsimo]], any [[Amerika Avaratra]], any [[Afrika]] ary any [[Azia]], teo amin' ireo [[Protestantisma|Protestanta]] sy [[Katolika]].