Tamba-nosin' i Kômôro: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Comoros Mayotte.PNG|vignette|362x362px|Ny tamba-nosin'i Kômôro]]
Ny '''Tamba-nosin' i Kômôro''' dia nosy maromaro mifanakaiky ao amin' ny [[Lakandrano Mozambika]], eo anelanelan' ny tendro avaratr' i [[Madagasikara]] sy ny morontsiraka avaratr' i [[Mozambika]]. Efatra ny nosy lehibebe mamorona an' ilay tamba-nosy, dia i [[Ngazija]] (na [[Kômôro Lehibe]]), i [[Njoany]] (na [[Anjoany]]), i [[Moaly]] (na [[Môhely]]) ary i [[Maôry]] (na [[Maiôty]]). Ny nosy telo voalohany dia mikambana ara-politika ao amin' ny [[Firaisan'i Kômôro]] izay mitambatra ho firenena mahaleo tena, fa i Maiôty kosa (izay ahitana ny nosy Grande-Terre sy Petite-Terre), sy ny nosy madinika manodidina azy, dia departemanta frantsay.
 
== Ireo nosy efatra lehibe indrindra ==
 
=== Ngazija ===
I [[Ngazija]] na Kômôro Lehibe dia [[nosy]] sady fanjakana mizaka tena isan' ny [[Firaisan'i Kômôro]], Izy no nosy lehibe indrindra sy be mponina indrindra (410 736 tamin' ny taona 2016) ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro. I Moroni no renivohiny, izay renivohitr' ilay firaisam-panjakana mizaka tena. Manana velarana 1 148 <abbr>km<sup>2</sup></abbr> izy.
 
=== Njoany ===
I Njoany na Anjoany dia [[nosy]] sy fanjakana mizaka tena mitambatra amin' ny Firaisan'i Kômôro. I Mutsamudu no renivohiny ary misy mponina miisa 327 382 izy tamin' ny taona 2017. Mirefy 424 <abbr>km<sup>2</sup></abbr> ny velerany.
 
=== Moaly ===
I [[Moaly]] na Môhely dia nosy sy fanjakana mizaka tena mitambatra ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Fomboni no renivohiny. Misy mponina 52 360 izy tamin' ny taona 2015. Manana velarana 290 <abbr>km<sup>2</sup></abbr> izy.
 
=== Maiôty ===
I [[Maiôty]] na Maôry dia [[tamba-nosy]] departemanta frantsay. Tsy isan' ny Firaisan' i Kômôro. izy. Ny renivohiny dia Mamoudzou, ny tanàna lehibe indrindra. Ilay faritra dia manana nosy kely maromaro: i Mtsamboro, i Mbouzi ary i Bandrélé. Manana velarana 376 km² izy ary misy mponina miisa 256 518 tamin' ny taona 2017.