Fiteny ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 20 Novambra 2020 à 10:56

Ny teny frantsay no teny ôfisialin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô. Misy fiteny tompon-tany miisa 220 ny ao amin’ io firenena ka ny ankamaroan’ ireo dia fiteny banto, nefa ny efatra no natao fitenim-pirenena ifaneraseran’ ny mponina, dia ny fiteny soahily, ny fiteny lingala, ny fiteny kikôngô ary ny fiteny tsiloba.

Ny fiteny soahily  dia tenenin’ny 35 %n’ ny mponina ao amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ao ao amin’ ireo ivontoerana lehibe sy ao amin’ ny faritra atsinanana (Katanga, Nord-Kivu, Sud-Kivu, ary ny faritra atsimo atsianan’ ny faritany Orientale). Ny fiteny lingala dia tenenin’ ny 30 %n’ ny mponina, ao Kinshasa sy ao amin’ ny faritanin’ i Bandundu, ao amin’ ny faritanin’ i Équateur ary ao amin’ ny faritany Orientale. Ny fiteny kikôngô  izay tenenin’ny 15 %n’ ny mponina, ao Bas-Congo. Ny fiteny tsiloba  izay ampiasain’ ny 15 %n’ ny mponina, ao amin’ ny faritany roa ao Kasaï.