Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-9:
 
== Fanamarihana ankapobeny ==
Ireto avy ireo anaram-bintana amin'ny fanandroana malagasy izay sady anaran'ny volana malagasy avy amin'ny teny arabo koa: [[Alahamady]], [[Adaoro]], [[Adizaoza]], [[Asorotany]], [[Alahasaty]], [[Asombola]], [[Adimizana]], [[Alakarabo]], [[Alakaosy]], [[Adijady]], [[Adalo]] ary [[Alohotsy]]<ref><small>Antoine de Padoue Rahajarizafy, ''Filozofia malagasy'', 2005, p. 104.</small></ref> <ref name=":3"><small>"Alahamady", Régis Rajemisa-Raolisona, ''Rakibolana malagasy'', 1985, p. 49.</small></ref>. Mbola iadian-kevitra ny fotoana mifanandrify amin'ny volana tsirairay noho ny fahasamihafam-piheverana misy eo amin'ireo milaza tena fa manam-pahaizana momba ny [[tetiandro malagasy]].
 
=== Fifandraisan'ny vitana ===
Andalana faha-64:
Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan'ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an'io tanàna faharoa io<ref><small>"[http://tenymalagasy.org/bins/teny2/alahamady?w=alahamady Alahamady]", ao amin'ny ''[http://tenymalagasy.org/bins/homePage Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara]''.</small> </ref>.
 
Lazaina fa mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adimizana nefa mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany<ref name=":3" />. Amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia ny vava Alahamady (na vavan'Alahamady) sy ny vonto Alahamady (na vonton'Alahamady) ary ny vody Alahamady (na vodin'Alahamady).
 
Manomboka amin'ny vava Alahamady ka miafara amin'ny vody Alohotsy ny volana Alahamady raha misy 28 andro. Marihina fa raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Alohotsy dia miafara amin'ny vava Alahamady ny volana Alahamady izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Alahamady io dia mifarana amin'ny vonto Alahamady ny volana izay misy 30 andro.