Finoana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-14:
 
== Ny boky masina Kor'any ==
[[Sary:Kuffi Quran.jpg|vignette]]
Ny [[Kor'any]] no ilay boky masin’ ny Silamo. Ho an’ ireo mpino miozolmana dia teny ara-bakitenin’ ilay Andriamanitra tokana ([[Allah]]) ny Kor'any. Amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia القُرْآن / ''al-Qur’ân'' no anaran' ilay boky. Ho an’ ny Miozolmana dia fanangonana ny tenin’ Andriamanitra izay fanambaràna (''āyāt'') nomeny ny mpaminany farany sady irak’ Andriamanitra, dia i [[Mohamady]] nanomboka tamin’ny taona 610-612 hatramin’ ny fotoana nahafatesany tamin’ ny taona 632 tamin’ ny alalan’ ny anjely [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]] (جبريل /''Jibrîl''). Tamin' ny nanambaràna ny [[Soratra Masina]], Andriamanitra dia niteny tamin' ny alalan' ny [[anjely]] Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin' Andriamanitra fa tsy ny feony.
 
== Ny mpaminany Mohamady ==
[[Sary:Muslim depiction of Muhammad - 17th century Ottoman copy from the "Edinburgh codex".jpg|vignette|166x166px|Ny mpaminany Mohamady, araka ny sary tao amin'ny sora-tanana ôtômàna tamin'ny taonjato faha-17.]]
I [[Mohamady]] (amin'ny teny arabo محمّد / ''Muḥammad'') no [[Mpaminany|mpaminani]]<nowiki/>n' Andriamanitra. Teraka tao [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] izy. Nanomboka ny asa faminaniany i [[Mohamady]] tamin’ny faha-40 taoany rehefa  niseho taminy ny anjely [[Gabriela (anjely)|Gabriela]] (''Jibril'' amin’ ny teny arabo) nandritra ny fahitana, araka ny [[lovantsofina]]. Nambaran’i Mohamady tamin’ ny fianakaviany sy tamin’ ny namany akaiky ny antsipirian’ izany fanambaràna izany. Efapolo taona taorian’izay dia olona efapolo no voataonany hanaraka ny fivavahany. Tamin’ izany no nanombohany nitory teny imasom-bahoaka tao amin’ ny tanànan’ i [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] nahaterahany. Noho ny tsy fankasitrahan’ ny mponin’ i Maka azy dia niala tao izy tamin’ ny taona 622 ka nankany Iatriba (''Yathrib''), dia ilay tanàna atao hoe Madina ankehitriny. Izay fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hijra'', sady fiandohan’ ny ny [[Tetiandro miozolmana|fanisan-taona miozolmàna]]. Tao Iatriba (na Madina) i Mohamady dia tonga nanam-pahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana. Resiny ny ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy [[Jiosy]] mpanohitra azy tao Madina, avy eo dia niady tamin’ ny tanànan’i Maka izy. Nitombo isa ny foko arabo nanaiky hofehezin’ i Mohamady ary nilavo lefona i Maka tamin’ ny taona 630.
 
Ny hatsaram-panahy sy ny fahefan’ Andriamitra ny zava-drehetra ary ny maha tokana an’ Andriamanitra, ary koa ny tokony hananan’ny olona toetra malala-tanana sy marina amin’ ny fifandraisana amin’ ny samy olona no fampianarana lehibe nataon’ i Mohamady. Maro ireo lohahevitra avy amin’ ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] izay tafiditra tao amin’ ny fivavahana naorin’ i Mohamady, na dia niorim-paka lalina tao amin’ ny kolontsaina arabo taloha aza izany fivavahana izany. Maro ireo fanao izay nalain’ ny mpaminany tamin’ ny mpanompo sampy izay noraisina amin’ ny endriny sy ny heviny hafa, ka isan’ izany ny fivahiniana masina, ny fankamasinana ny toerana misy ny [[Kaaba]]. Maty tamin’ ny taona 632 i Mohamady. Nahatsangana fanjakana arabo izay nitombo hery sy velarana haingana izy.
 
== Ny tanàna masin’ i Maka ==
[[Sary:Masjid al-Haram 1.jpg|vignette]]
I [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] dia tanàna any amin' ny tapany andrefan'i [[Arabia Saodita]], miorina 80 km miala ny [[Ranomasina Mena]]. Amin' ny [[teny arabo]] izy dia atao hoe مكة / ''Makka''. Araka ny lovantsofina silamo dia tao no nahaterahan' ny mpaminany [[Mohamady]] tamin' ny faramparan'ny taonjato faha-6. Ao no misy ny [[môskea]] ''Masjid al-Haram'' ("Moskea Masina") izay misy ny Kaaba (arabo: الكعبة / ''al-Ka'ba'').
 
Ligne 27 ⟶ 30 :
 
== Ny litorjia ao amin' ny finoana silamo ==
[[Sary:Prayers of Noon - Grand Mosque of Nishapur -September 27 2013 34.JPG|vignette|203x203px|Miozolmana mivavaka manondrika ny loha sy ny lamosina amin'ny maraina ao amin'ny Moske Lehiben'i Nishapur any amin'ny tapany avaratra-atsinanan'i [[Iràna]].]]
Ao amin' ny finoana silamo, ny teny hoe ''salāt'' (izay midika hoe "vavaka", avy amin' ny [[teny arabo]] hoe ''صلاة''‎ / ''ṣalāh'' na ''صلوات'' / ''ṣalawāt'' r''aha milaza maro'') dia fomba fivavahana arahim-pihetsika ara-batana tsy maintsy atao, ka mifanohitra amin' ny atao hoe ''dua'' (arabo: ''دُعَاء'' / ''duʿāʾ'') izay midika hoe "fitalahoana". Ny maha zava-dehibe azy eo amin'ny Miozolmana dia ambaran' ny maha isan' ireo [[Andry dimin'ny finoana silamo]] azy.
 
Ligne 35 ⟶ 38 :
 
== Tetiandro miozolmana ==
[[Sary:Yennayer.jpg|vignette|204x204px]]
Ao amin'ny tetiandro miozolmana, ny iray [[Volana (fotoana)|volana]], izay mitovy amin' ny fitsingerenan' ny [[Volana]] amin' ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Ny fanombohan' ny volana tsirairay dia mifanandrify amin' ny fotoan' ny tsinam-bolana hitan' ny maso. Ny taona 1 amin' ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. amin' ny [[tetiandro gregoriana]] ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin' ny 15 na 16 Jolay tamin' io taona 622 io. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin' ny teny arabo. Andro voalohany amin' ny volana ''[[Moharamo|Muharram]]'' izany. Io no andro voalohany tamin' ny fifindrà-monin'ny mpaminany [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] hankany Iatriba (tanàna fantatra amin' ny anarana hoe Madîna amin' izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin' ny teny arabo.