Adama (Baiboly): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
 
Andalana faha-15:
 
== I Adama ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ==
Ny tatarantantaran' i Adama sy Eva no miteraka ny faharesen-dahatra fa ny olombelona rehetra dia fianakaviana iray, taranaky ny mpivady volohany sady tokana. Ny tantaran'izy ireo koa no iorenan'ny foto-pampianarana momba ny fahalavoan'ny olombelona sy ny [[fahotana tamin'ny fototra]] izay finoana manan-danja ao amin'ny fivavahana kristiana.
 
=== Ao amin' ny Baiboly hebreo ===
[[Sary:Lucas Cranach the Elder, Adam and Eve,1538 (Toronto).jpg|vignette|''I Adama sy i Eva'', nataon'i Lucas Cranach the Elder, 1538|244x244px]]Ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]] ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] (Gen. 1-- 5) dia misy fitantarana roa izay maneho fomba fijery roa miavaka. Ao amin'ny fitantarana voalohany i Adama sy i Eva dia tsy voatonona anarana. Miteny fotsiny Andriamanitra ao fa nanamboatra ny olombelona araka ny endrik' Andriamanitra sy nitso-drano azy ireo mba hihabetsaka sy hitandrina izay rehetra noforonin' Andriamanitra. Tsy nanan-tsiny sady tsy nahalala menatra izay ireo na dia nitanjaka aza. Ao amin' ny fitantarana faharoa dia namolavola an' i Adama vay tamin' ny vovoka Andriamanitra avy eo nametraka azy tao amin' ny saha [[Edena]]. Nilaza tamin' i Adama Andriamanitra fa afaka mihinana an-kalalahana ny voan' ny hazo rehetra ao amin' ny saha, afa-tsy ny voan' ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Aty aoriana dia noforonina avy tamin' ny taolan-tehezan' i Adama i Eva mba hatao namany. Nisy [[bibilava]] (menarana) anefa namitaka an' i Eva ka nahatonga an' i Eva hihinana ny voan' ilay hazo voarara sady nanomezany koa i Adama vadiny. Izany fihinanana ny voan' ilay hazo voarara izany dia nahatonga azy ireo hitombo fahalalana, nefa izany koa dia nahalalany menatra sy nahafantarany ny atao hoe [[ratsy]]. Noho izany dia nanozona ny bibilava sy ny tany Andriamanitra. Nambaran' Andriamanitra tamin-dravehivavy sy tamin-dralehilahy ny ho vokatry ny fahotany. Avy eo noroahin' Andriamaitra hiala avy tao [[Edena]] izy ireo.
 
== Jereo koa ==