Pôliteisma: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-8:
== Endrika isehoan' ny politeisma ==
Isan-karazany ny fivavahana amin' andriamanitra maro satria ny lamina tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy ary mety hahitana zana-damina izay mamaritra ny fifandraisan' ireo andriamanitra ao aminy. Ny fivavahana sasany, izay efa tsy misy mpanaraka intsony, dia matetika tsy fantatra raha tsy amin' ny alalan' ireo sisan-javatra navelan' ny mponina tany aloha na amin' ny alalan' ny [[fedrà]] sy ny [[haisoratra]]. Nefa ny anjara toeran' ny andriamanitra iray ao amin' ny fedrà dia tsy voatery hifanaraka amin' ny tena anjara toeran' io andriamanitra io ao amin' ny [[fanompoam-pivavahana]].
Ao amin' ny lamina pôliteista dia misy fizaràna seha-pahefana ho an' ny andriamanitra tsirairay.
Amin' ny ankapobeny dia manam-pifadraisam-pianakaviana na fifandraisam-piarahamonina ireo andriamanira ao amin' ny lamina politeista ireo: misy ny mpifehy ary misy ny fehezina, misy ny ray sy reny ary zanaka.
Matetika dia misy ny andriamanitra fara-tampony izay tsy dia voantson' ny mpivavaka raha mitaha amin' ireo andriamanitra ambanimbany izay akaiky kokoa ny mpivavaka. Ao amin' ny fivavahana politeista afrikanan' ny vahoaka Londa (Lundas) dia i Nzambi no anaran' ny andriamanitra fara-tampony. Ao koa ireo fivavahana manana andriamanitra fara-tampony lavitra kokoa sahala amin' ny andriamanitra Lanitra ao amin' ny [[fivavahana sinoa]].
== Ireo fivavahana politeista ==
|