Pôliteisma: Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
[[Sary:Gods.jpg|vignette|310x310px|Ny fianakaviamben' ny andriamanitra grika]]
Ny '''pôliteisma''' dia [[fivavahana]] na fiheverana [[Filôzôfia|filôzôfika]] inoana ny fisian' ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] maro sy anompoana azy ireo. Isan-karazany ny endrika isehoan'ny fivavahana amin' andriamanitra maro. Amin' ny ankapobeny dia inoana ho manana endrika sy toetra mitovitovy amin' ny an' ny olombelona ny andriamanitra. Amin' ny ankapobeny koa dia manana ny anjara toerany ao amin' ny lamina misy ambaratonga ireo andriamanitra ireo ka ny [[fedrà]] no mitantara sy manazava izany. Matetika dia mifangaro amin' ny fivavahana amin' andriamanitra tokana ([[mônôteisma]]) ny fivavahana amin' andriamanitra maro ka misy ny fivavahana pôliteista izay nivoatra nakany amin' ny monoteisma.
 
Ny mpikaroka dia mihevitra fa avy amin'ny tahotra sy ny fanajana ny herin' ny [[zavaboary]] no niavian' ny fivavahana amin' andriamanitra maro ka nokendrena tamin' izany ny hifehezana ireo hery ireo ka izany no ninoan' ny vahoaka sasany ny zavatra eny amin' ny lanitra ([[masoandro]], [[volana]], [[kintana]] sns.) sy ny zava-manan' aina sasany (biby sy zavamaniry) ary ny zavatra hafa koa (tendrombohitra, afo, sns.). Ny fandaminana misy eo amin' ny fiarahamonin' olombelona no heverina fa fandaminana misy koa ao amin' ny tontolon' ireo andriamanitra ireo. Tsy mora noho izany ny manavaka ny fivavahana politeista sasany amin' ny [[animisma]] na ny [[totemisma]], eny fa na amin' ny [[panteisma]] koa aza.
 
== Fiforonan-teny ==
Avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''πολυθεϊσμός'' / ''polutheismos'' ny teny nohagasina hoe ''politeisma'' izay mbola azo rasaina araka izao: ''πολύ'' / ''polu'' ("maro") sy ''θεός'' / ''theos'' ("andriamanitra").
 
== Endrika isehoan' ny politeisma ==
Isan-karazany ny fivavahana amin' andriamanitra maro satria ny lamina tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy ary mety hahitana zana-damina izay mamaritra ny fifandraisan'ireo andriamanitra ao aminy. Ny fivavahana sasany, izay efa tsy misy mpanaraka intsony, dia matetika tsy fantatra raha tsy amin'ny alalan'ireo sisan-javatra navelan'ny mponina tany aloha na amin'ny alalan'ny [[fedrà]] sy ny [[haisoratra]]. Nefa ny anjara toeran'ny andriamanitra iray ao amin'ny fedrà dia tsy voatery hifanaraka amin'ny tena anjara toeran'io andriamanitra io ao amin'ny [[fanompoam-pivavahana]].
 
Maro dia maro ny fivavahana pôliteista ka ireto ny tena fantatra indrindra:
 
* ny fivavahan'ny Rômana tranainytaloha
* ny fivavahan'ny Grika tranany taloha
* ny fivavahan'ny Selta
* ny fivavahan'ny Jermàna
* ny fivavahan'ny Slava
* ny fivavahana finoa tranainyfinoà taloha
* ny fivavahana tranainytaloha tao Mesôpôtamia
* ny fivavahan'ny Ejiptiana tranainy taloha
* ny [[sintôisma]]
* ny [[hindoisma]]
* ny fivavahan'ny Persiana
* ny [[fivavahan-drazana sinoa]]
* ireo fivavahana tao Peroa tranainy taloha
* ireo fivavahan'ny mponina tao Amerika afovoany tranainyAfovoany taloha
* ireo [[Fivavahana tao Arabia talohan'ny fivavahana silamo|fivavahan'ny Arabo talohan'ny silamo]].
 
== Jereo koa: ==
29 325

modifications