Ramadany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Ramadany''' dia [[Volana (fotoana)|volana]] fahasivy ao amin'ny [[tetiandro miozolmana]] na tetiandro silamo. Io ihany ny anaram-bolana hita ao amin'ny boky [[Kor'any]]. Ho an'ny mpino silamo dia io no volana tsara indrindra satria io no volana ifadian-kanina (arabo: ''saum'') sady ahitana ilay atao hoe ''Laylat al-Qadr''. Avy amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe رمضان / ''ramaḍān'' ny teny nogasina hoe ''ramadany''. Ny volana [[Sabàny]] no eo alohany ary ny volana [[Saoaly]] no manaraka azy.
 
Ny [[fifadian-kanina]] amin'ny volana Ramadany dia iray amin'ireo fototra na [[andry dimin'ny finoana silamo]]. Mandritra io volana io ny mpino silamo feno taona, araka ny firehana silamo maro, dia tsy tokony hihinana na hisotro na hifoka na hanao firaisana ara-nofo mandritra ny fotona avy eo amin'ny mazava atsinanana ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro. Volan'ny falala-tanana ny Ramadany, satria rehefa mifarana izy dia mizara ho an'ny mahantra ny mpino, izany no atao hoe ''zakât al-fitr''. Volana ahatsiarovana zava-niseho maro teo amin'ny tantaran'ny [[finoana silamo]] koa ny Ramadany.