Finoana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
[[Mônôteisma|Mônôteista]] ny fivavahana silamo. Ny anaran' Andriamanitra dia ''[[Allah]]''. Izany mahatokana an' Andriamanitra izany no atao amin'ny [[teny arabo]] hoe ''Tawhîd'' izay hamafisina amin'ny [[fiekem-pinoana]] (arabo: ''Shahâda'') hoe: "''Manambara aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary i [[Mohamady]] no irak'Andriamanitra''" (arabo: "اشهد ان لآ اِلَـهَ اِلا الله و أشهد ان محمدا رسول الله ").
 
''Allah'' no anaran' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] tokana ao amin' ny finoana silamo. Amin'ny Miozolmana dia i Allah no [[Famoronana (finoana sy fedrà)|mpahary]] izao rehetra izao (na ''‘âlam''), ka maro ny teny amaritan' ny boky [[Kor'any]] ny toetrany, toy ny hoe "mahery", "mahay", "be indra fo", sns. Anarana miisa 99 no omen'ny fivavahana silamo an' ity Andriamanitra tokana ity, izay atao hoe "anaran' Andriamanitra tsara indrindra".
 
Tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra.
 
Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban' olombelona no tsy takatry ny sain' olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin'ny [[Kor'any]], ka zava-miafina tanteraka izy, na "''ghayb''", ka tsy hay ampitahaina na amin' inona na amin' inona. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.
 
Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny [[fitsarana farany]], niseho tamin' ny mpaminany nifandimby hatramin' i [[Adama]] ka hatramin' i Mohamady. Ny soràta 112 (''Al-Ikhlas'') dia mamondrona ny fotopotony amin' ny fiheveran'ny Silamo an' Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy takatry ny eritreritra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin' inona na amin' inona Izy". Ny [[Kor'any]] dia manambara koa ny toetr' Andriamanitra izay [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] tanteraka nefa milaza koa io boky io fa akaiky ny olombelona (Kor'any, soràta 50.16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan' ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra.
 
== Ny boky masina Kor'any ==
Ny [[Kor'any]] na Koràna diano ilay boky masin’nymasin’ ny Silamo. Ho an’ireoan’ ireo mpino miozolmana dia teny ara-bakitenin’ilaybakitenin’ ilay Andriamanitra tokana ([[Allah]]) ny Kor'aany. Amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia القُرْآن / ''al-Qur’ân'' no anaran' ilay boky. Ho an’nyan’ ny Miozolmana dia fanangonana ny tenin’ Andriamanitra izay fanambaràna (''āyāt'') nomeny ny mpaminany farany sady irak’ Andriamanitra, dia i [[Mohamady]] (محمد / ''Muḥammad'') nanomboka tamin’ny taona 610-612 hatramin’nyhatramin’ ny fotoana nahafatesany tamin’nytamin’ ny taona 632 tamin’nytamin’ alalan’nyny alalan’ ny anjely [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]] (جبريل /''Jibrîl''). Tamin' ny nanambaràna ny [[Soratra Masina]], Andriamanitra dia niteny tamin' ny alalan' ny [[anjely]] Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin' Andriamanitra fa tsy ny feony.
 
== Ny mpaminany Mohamady ==
I [[Mohamady]] (amin'ny teny arabo محمّد / ''Muḥammad'') no [[Mpaminany|mpaminani]]<nowiki/>n' Andriamanitra. Teraka tao [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] izy tamin' ny taona 570 ary maty tao [[Medina]]Madina tamin' ny taona 632. Nanomboka ny asa [[Faminaniana|faminaniany]] i Mohamady tamin’nytamin’ ny faha-40 taonany rehefa niseho taminy ny ajely [[Gabriela (anjely)|Gabriela]] (''Jibril'' amin’ny teny arabo) nandritra ny [[Fahitana (finoana)|fahitana]], araka ny lovantsofina. Nambaran’iNambaran’ i Mohamady tamin’nytamin’ ny fianakaviany sy tamin’nytamin’ ny namany akaiky ny antsipirian’izanyantsipirian’ izany [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] izany. Rehefa tapitra ny efapolo taona dia olona efapolo no voataonany hanaraka ny fivavahany. Tamin’izanyTamin’ izany no nanombohany nitory teny imasom-bahoaka tap amin’nyamin’ tanànann’iny tanànan’ i [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]], nahaterahany. Noho ny tsy fankasitrahan’nyfankasitrahan’ mponin’iny mponin’ i Maka dia niala tao izy tamin’nytamin’ ny taona 622 ka nankany Iatriba (''Yathrib''), izay atao hoe Madina ankehitriny. Izay fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hijra'', sady fiandohan’nyfiandohan’ ny [[Tetiandro miozolmana|fanisan-taona miozolmàna]].
 
Tao Iatriba (na Madina) i Mohamady dia tonga nanam-pahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana. Resiny ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy [[Jiosy]] mpanohitra azy tao Madina, avy eo dia niady tamin’nytamin’ tanànan’iny tanànan’ i Maka izy. Nitombo isa ireo foko arabo nanaiky ny hofehezin’ihofehezin’ i Mohmady ary nilavo lefona i Maka tamin’nytamin’ ny taona 630. Maty tamin’nytamin’ ny taona 632 i Mohamady. Nahatsangana fanjakana arabo izay nitombo hery sy velarana haingana izy.      
 
Ny hatsaram-panahy sy ny fahefan’ Andriamanitra ny zava-drehetra ary ny maha tokana an’ Andriamanitra, ary koa ny tokony haha malala-tanana sy marina amin’nyamin’ ny fifandraisana amin’nyamin’ ny samy olona no fampianarana lehibe nataon’inataon’ i Mohamady. Maro ireo lohahevitra avy amin’nyamin’ ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] izay tafiditra ao amin’nyamin’ ny fivavahana naorin’inaorin’ i Mohamady, na dia niorim-paka lalina tao amin’ny kolontsaina arabo talohan’nytalohan’ ny finoana silamo aza izany. Maro ireo fanao nalain’nynalain’ ny mpaminany tamin’nytamin’ ny [[Fanompoan-tsampy|mpanompo sampy]] izay noraisina amin’ny endriny hafa, ka isan’izanyisan’ izany ny fivahiniana masina, ny toerana masina misy ny [[Kaaba]].
 
== Ny tanàna masin’imasin’ i Maka ==
I [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] dia tanàna any amin' ny tapany andrefan'i [[Arabia Saodita]], miorina 80 km miala ny [[Ranomasina Mena]]. Amin' ny [[teny arabo]] izy dia atao hoe مكة / ''Makka''. Araka ny lovantsofina silamo dia tao no nahaterahan' ny mpaminany [[Mohamady]] tamin' ny faramparan'ny taonjato faha-6. Ao no misy ny [[moskea]] ''Masjid al-Haram'' ("Moskea Masina") izay misy ny [[Kaaba]] (arabo: الكعبة / ''al-Ka'ba'').
 
Toeram-panaovana [[fivahiniana masina]] (arabo: حَجّ / ''hajj'') ny ao Maka, ka indraimandeha isan-taona no fanaovana izany hatramin'ny taonjato faha-7. Manandrify an' i Maka koa no itodihan' ny mpino silamo rehefa manatanteraka ny vavaka atao isan' andro.
 
== Ny litorjia ao amin' ny finoana silamo ==
[[Sary:Prayers of Noon - Grand Mosque of Nishapur -September 27 2013 34.JPG|vignette|203x203px|Miozolmana mivavaka manondrika ny loha sy ny lamosina amin'ny maraina ao amin'ny Moske Lehiben'i Nishapur any amin'ny tapany avaratra-atsinanan'i [[Iràna]].]]
Ao amin' ny finoana silamo, ny teny hoe ''salāt'' (izay midika hoe "vavaka", avy amin' ny [[teny arabo]] hoe ''صلاة''‎ / ''ṣalāh'' na ''صلوات'' / ''ṣalawāt'' r''aha milaza maro'') dia fomba fivavahana arahim-pihetsika ara-batana tsy maintsy atao, ka mifanohitra amin' ny atao hoe ''dua'' (arabo: ''دُعَاء'' / ''duʿāʾ'') izay midika hoe "fitalahoana". Ny maha zava-dehibe azy eo amin'ny Miozolmana dia ambaran' ny maha isan' ireo [[Andry dimin'ny finoana silamo]] azy.
 
Ialohavan'ny fidiovana (arabo: ''الوضوء'' / ''<nowiki/>'al-wuḍū) s''ady tanterahina indimy isan'andro izany. Averimberina ny andian-teny atao ''rakʿah'' (arabo: ركعة) na ''rakaʿāt'' (arabo:ركعات, raha milaza maro) raha anaovana asa (fihetsika) sy lahateny tsy maintsy tanterahina. Ny isan' ny ''rakaʿāt'' tsy maintsy atao dia mety ho roa hatramin 'ny efatra arakaraka ny fotoana ao amin' ny andro na ny toe-javatra hafa (toy ny fivavahana amin'ny andro Zoma izay anaovana ''rakaʿāt'' roa)''.''
 
Tsy maintsy ataon' ny Miozolmana rehetra ny vavaka, afa-tsy ireo izay mbola tsy niala sakana sy ireo vehivavy tonga fotoana na tera-bao.
 
== Tetiandro miozolmana ==
Ao amin'ny tetiandro miozolmana, ny iray [[Volana (fotoana)|volana]], izay mitovy amin' ny fitsingerenan' ny [[Volana]] amin' ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Ny fanombohan' ny volana tsirairay dia mifanandrify amin' ny fotoan' ny tsinam-bolana hitan' ny maso. Ny taona 1 amin' ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. amin' ny [[tetiandro gregoriana]] ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin' ny 15 na 16 Jolay tamin' io taona 622 io. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin' ny teny arabo. Andro voalohany amin' ny volana ''[[Moharamo|Muharram]]'' izany. Io no andro voalohany tamin' ny fifindrà-monin'ny mpaminany [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] hankany Iatriba (tanàna fantatra amin' ny anarana hoe Madîna amin' izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin' ny teny arabo.
 
Ireto avy ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro miozolmana:
 
* ''[[Muḥarram]]'' (مُحَرَّم)
Andalana faha-54:
* ''[[Dhu al-Hijja]]'' (ذو الحجة).
 
== Ny sampana lehiben' ny fivavahana silamo ==
Mizara sampana telo lehibe ny fivavahana silamo, dia ny sonisma sy ny siisma ary ny karijisma.