Finoana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-17:
 
== Ny mpaminany Mohamady ==
I [[Mohamady]] (amin'ny teny arabo محمّد / ''Muḥammad'') no [[Mpaminany|mpaminani]]<nowiki/>n' Andriamanitra. Teraka tao [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]] izy tamin'ny taona 570 ary maty tao [[Medina]] tamin'ny taona 632. Nanomboka ny asa [[Faminaniana|faminaniany]] i Mohamady tamin’ny faha-40 taonany rehefa niseho taminy ny ajely [[Gabriela (anjely)|Gabriela]] (''Jibril'' amin’ny teny arabo) nandritra ny [[Fahitana (finoana)|fahitana]], araka ny lovantsofina. Nambaran’i Mohamady tamin’ny fianakaviany sy tamin’ny namany akaiky ny antsipirian’izany [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] izany. Rehefa tapitra ny efapolo taona dia olona efapolo no voataonany hanaraka ny fivavahany. Tamin’izany no nanombohany nitory teny imasom-bahoaka tap amin’ny tanànann’i [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]], nahaterahany. Noho ny tsy fankasitrahan’ny mponin’i Maka dia niala tao izy tamin’ny taona 622 ka nankany Iatriba (''Yathrib''), izay atao hoe Madina ankehitriny. Izay fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hijra'', sady fiandohan’ny [[Tetiandro miozolmana|fanisan-taona miozolmàna]].
 
Tao Iatriba (na Madina) i Mohamady dia tonga nanam-pahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana. Resiny ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy [[Jiosy]] mpanohitra azy tao Madina, avy eo dia niady tamin’ny tanànan’i Maka izy. Nitombo isa ireo foko arabo nanaiky ny hofehezin’i Mohmady ary nilavo lefona i Maka tamin’ny taona 630. Maty tamin’ny taona 632 i Mohamady. Nahatsangana fanjakana arabo izay nitombo hery sy velarana haingana izy.      
 
Ny hatsaram-panahy sy ny fahefan’ Andriamanitra ny zava-drehetra ary ny maha tokana an’ Andriamanitra, ary koa ny tokony haha malala-tanana sy marina amin’ny fifandraisana amin’ny samy olona no fampianarana lehibe nataon’i Mohamady. Maro ireo lohahevitra avy amin’ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] izay tafiditra ao amin’ny fivavahana naorin’i Mohamady, na dia niorim-paka lalina tao amin’ny kolontsaina arabo talohan’ny finoana silamo aza izany. Maro ireo fanao nalain’ny mpaminany tamin’ny [[Fanompoan-tsampy|mpanompo sampy]] izay noraisina amin’ny endriny hafa, ka isan’izany ny fivahiniana masina, ny toerana masina misy ny [[Kaaba]].
 
== Ny tanàna masin’i Maka ==