Ombiasa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ombiasa.jpg|lien=https://mg.wikipedia.org/wiki/Sary:Ombiasa.jpg|vignette|277x277px|Sary sokitra maneho ombiasy iray amperin'asa.]]
Ny '''ombiasa''' na '''ombiasy''' na '''mpimasy''' dia olona misahana ny fitsaboana sy ny fiarovana amin'ny fanahy ratsy na ny [[ody]] ratsy eo amin'ny fiarahamonina malagay mandala ny [[Fivavahan-drazana malagasy|finoan-drazana malagasy]]. Maro ny zavatra sahanin'ny ombiasa, ka ao ny fitsaboana ny aretin'ny vatana na ny aretin'ny saina amam-panahy, ny famantarana ny hoavy sy ny zavatra tsy hita. Atahorana koa ny ombiasa satria mahay mamorika na mamosavy amin'ny alalan'ny fampiasana ody ratsy. Ny maha ombiasa dia asa fivelomana ho an'ny ombiasa maro. Olona mahafehy ny fahalalana ny hasin'ny zava-maniry manodidina azy ny ombiasa ka manam-pahaizana momba ny [[raokandro]]. Mety ho sady mpitazona ody ny ombiasa no [[Fanandroana malagasy|mpanandro]] sy [[Sikidy malagasy|mpisikidy]] ary mpanolo-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina. Misy koa anefa ireo inoan'ny olona fa mitazona ody ratsy hamorehana na ho enti-mangalatra sns. Sady hajaina noho izany ny ombiasa no atahorna.