Wikipedia:Takelaka/*/tsara vakiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-52:
-----
</noinclude>
[[Sary:New Moon at sunset.jpg|vignette|102x102px152x152px]]
Ny '''[[fanandroana malagasy]]''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray andaniny, amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny [[Volana]], ankilany, araka ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro nentin-drazana malagasy]] sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny [[fanalana vintana]] na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny [[Volana]] sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny [[andro]] ao amin'ny [[herinandro]] sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny [[fizaran-taona]] sy ny [[taona]] koa. Manampy izany ny [[Lafin-tany|lafintany]] (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny [[rivotra]], ny [[afo]] ary ny [[rano]] sns. Tsy ny volana sy ny andro ihany no manan-danja eo amin'ny fanandroana malagasy fa ny fizarazaran'ny andro koa, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny [[erana]] na ny habaka koa.