Wikipedia:Takelaka/*/tsara vakiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-35:
{{tohiny|Volambita}}
-------------
 
</noinclude>
Ny '''tetiandro''' '''malagasy''' dia [[tetiandro]] nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro [[tetiandro gregoriana|gregoriana]] nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny [[fanandroana]]. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy<ref name=":0"><small>Razafintsalama P.A., ''Ny finoana sy ny fomba malagasy'', p.52.</small></ref>. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra<ref name=":1"><small>Razafintsalama P.A., ''Ny finoana sy ny fomba malagasy'', p.51.</small></ref>. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo<ref name=":1" />. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'[[antokon-kintana]] amin'ny [[Hainkintana|haikintana]] na [[fanandroana]] indiana amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrita]] fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo.
 
Andalana faha-50:
Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".
{{tohiny|Tetiandro malagasy}}
-----
</noinclude>
[[Sary:New Moon at sunset.jpg|vignette|382x382px]]
Ny '''[[fanandroana malagasy]]''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray andaniny, amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny [[Volana]], ankilany, araka ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro nentin-drazana malagasy]] sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny [[fanalana vintana]] na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny [[Volana]] sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny [[andro]] ao amin'ny [[herinandro]] sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny [[fizaran-taona]] sy ny [[taona]] koa. Manampy izany ny [[Lafin-tany|lafintany]] (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny [[rivotra]], ny [[afo]] ary ny [[rano]] sns. Tsy ny volana sy ny andro ihany no manan-danja eo amin'ny fanandroana malagasy fa ny fizarazaran'ny andro koa, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny [[erana]] na ny habaka koa.
 
Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo [[andriana]] tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan'ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon'ny olona.
 
Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny [[Zanahary (anaran-tsamirery)|Zanahary]] ny fanandroana. Ilain'ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns. {{tohiny|fanandroana malagasy}}