Fiteny grika kôine: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-22:
Ny vanimptoana taorian' ny fiteny grika klasika dia fotoana niforonan' ny fiteny grika kôine sy nivoarany nandritra ny vanimpotoana helenistika sy [[Rôma|rômana]] ao amin' ny tantara grika, hatramin' ny tapany farany amin' ny [[Andro Taloha]].
 
== Fiavian' ny fiteny grika koinekôine ==
Ny fiavian' ny fiteny grika koinekôine dia tsy fantatra mazava hatramin' ireo fotoana voalohany nisiany. Nandritra ny vanimpotoana nanjakan' ny kolontsaina grika dia nihevitra ny ankamanoan' ny manampahaizana fa io fietenyfiteny io dia vokatry ny fifangaroan' ny endrika efatry ny fiteny grika ka izany no iantsoana azy hoe ''ἡ ἐκ τῶν τεττάρων συνεστῶσα'' ("ny fikambanan' ny efatra"). Izany fomba fijery izany dia notohanan' ilay mpahay teny aotrisiana Paul Kretschmer nandritra ny fiantombohan' ny taonjato faha-19 tao amin' ny boky nosoratany hoe ''Die Entstehung der Koine'' (1901), fa ilay Alemàna atao hoe Wilamowitz sy ilay Frantsay atao hoe Antoine Meillet dia samy niankina tamin' ny singa tsy momba ny fiteny grika atikan' ny koine (toy ny ''σσ'' asolo ny ''ττ'' sy ny ''ρσ'' asolo ny ''ρρ''; ohatra: ''θάλασσα'' — ''θάλαττα'', ''ἀρσενικός'' — ''ἀρρενικός''), dia mihevitra ny grika koine ho endriky fiteny grika ionika notsorina. Ny vahaolana farany eken' ny manampahaizana dia ilay nomen' ny mpahay fiteny grika G. N. Hadzidákis, izay nanaporofo fa na dia ny "fikambanan' ny efatra" izay fototra marin-toeran' ny grika koine dia grika atika tanteraka. Izany hoe ny grika koine dia azo heverina ho fiteny grika atika mifangaro singa maro, indrindra singa avy amin' ny grika ionika, nefa misy koa singa avy amin' ireo endrika hafan' ny fiteny grika. Ny vokatry ny grika koine tamin' ireo singa ara-piteny tsy avy amin' ny grika atika dia mety miovaova araka ny faritra.
 
Noho izany ny endrika maron' ny fiteny grika koine notenenin' ireo vahoaka ioniana any [[Azia Minora]] sy any [[Kiprosy]] dia mety nanana toetra misongadina kokoa noho ny hafa. Ankoatr' izany dia mitovy amin' ny fiteny atika ny grika koinen' ny mpanoratra tamin' ny vanimpotoana helenika ka izany no ilazana azy matetika ho fiteny atika iombonana.