Fiteny iraniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny any Azia
 
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:Iranian-languages-map-new-2019.jpg|vignette|433x433px]]
Ny '''fiteny iraniana''' dia vondrom-piteny isan'ireo [[fiteny indô-eorôpeana]], zana-pizaràn'ny sampana [[Fiteny indô-iraniana|indô-iraniana]]. Ny vondrom-piteny iraniana dia ahitana indrindra ny fiteny avestika, ny fiteny persiana taloha, ireo fiteny iraniana maro notenenina nandritra ny [[Andro Antenantenany]], ny fiteny persana ankehitriny, ny fiteny pastô, ny [[fiteny korda]] ary ny fiteny balotsa. Ny fitenin'ireo [[Skitiana]] sy ny an'ny Sarmatiana ary ny fiovan'ireo fiteny ireo amin'izao fotoana izao, ny fiteny ôseta tenenina ao Kaokazy, dia samy fiteny iraniana koa.
 
Ny toerana ahitana mpiteny iraniana dia tsy voafetran'ny tanin'ny [[Repoblika Islamikan'i Iràna]] fa mivelatra mankany amin'ny faritra [[Afovoany Atsinanana]] (ao amin'ireo faritra [[Fiteny korda|miteny korda]] ao [[Torkia]] sy [[Siria]] ary [[Iràka]]), ao [[Kaokazy]] (any Ôsetia sy ao amin'ireo faritra miteny tatô any [[Azerbaijàna]]), ary any [[Azia Afovoany]] (ao [[Iràna]] sy ao [[Afganistàna]] ary ao [[Pakistàna]]). Manampy azy ireo vahoaka mpifindra monina, indrindra ny [[Korda (vahoaka)|Korda]].