Fiteny iraniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny any Azia
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 17 Septambra 2020 à 14:22

Ny fiteny iraniana dia vondrom-piteny isan'ireo fiteny indô-eorôpeana, zana-pizaràn'ny sampana indô-iraniana. Ny vondrom-piteny iraniana dia ahitana indrindra ny fiteny avestika, ny fiteny persiana taloha, ireo fiteny iraniana maro notenenina nandritra ny Andro Antenantenany, ny fiteny persana ankehitriny, ny fiteny pastô, ny fiteny korda ary ny fiteny balotsa. Ny fitenin'ireo Skitiana sy ny an'ny Sarmatiana ary ny fiovan'ireo fiteny ireo amin'izao fotoana izao, ny fiteny ôseta tenenina ao Kaokazy, dia samy fiteny iraniana koa.

Sary:Iranian-languages-map-new-2019.jpg

Ny toerana ahitana mpiteny iraniana dia tsy voafetran'ny tanin'ny Repoblika Islamikan'i Iràna fa mivelatra mankany amin'ny faritra Afovoany Atsinanana (ao amin'ireo faritra miteny korda ao Torkia sy Siria ary Iràka), ao Kaokazy (any Ôsetia sy ao amin'ireo faritra miteny tatô any Azerbaijàna), ary any Azia Afovoany (ao Iràna sy ao Afganistàna ary ao Pakistàna). Manampy azy ireo vahoaka mpifindra monina, indrindra ny Korda.

Jereo koa