Fivavahana iraniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
Ny finoana sy ny asa ary ny zava-mitranga ara-kolontsaina teo amin'ireo Iraniana tao Iràna tamin'ny [[Andro Taloha]] dia lohahevitra sarotra tsorina. Ny Ntaolo iraniana dia foko ariana sy tsy ariana. Ny [[Ariana (vahoaka)|Ariana]] izay atao hoe Ntaolo iraniana, dia nivavaka tamin'ny zava-misy eo amin'ny zavaboary toy ny masoandro sy ny hazavan'ny masoandro ary ny varatra, nefa afaka niova ho amin'ny fivavahana amin' andriamanitra tokana izy ireo nefa tsy manao ny andriamanitra hafa ho tsy andriamanitra na dia tsy ivavahany aza. I [[Zaratostra]] (na Zôrôastra), ilay mpaminany iraniana fahiny, dia nanavao ny finoana ara-pivavahana iraniana ho [[henôteisma]] (misy koa ny milaza hoe [[mônôteisma]]).
 
==== Fivavahana tao Irànairaniana tamin'ny Andro AntenantenanyTaloha ====
== Ny fivavahan'ny vahoaka pôtô-indô-iraniana ==
 
=== Ny fivavahan'ny vahoaka pôtô-indô-iraniana ===
Ny fivavahan'ny vahoaka nipoiran'ny [[Indô-iraniana (vahoaka)|Indô-iraniana]] no nivoatra ho amin'ny fivavahan'ny [[vahoaka iraniana]] taty aoriana. Io fivavahana io ihany koa no nanako teo amin'ny fivoaran'ireo [[fivavahana indiana]].
 
=== Ny fivavahan'ny Skitiana ===
Ny fivavahan'ny [[Skitiana]] (na Sita) no nialoha sady fiavian'ny fivavahana atao hoe [[Oatsdina (fivavahana)|oatsdina]] ankehitriny. Fitambarana fombafomba sy finoana izay nanjaka tao [[Azia Afovoany]] sy tao [[Eorôpa Atsinanana]] nandritra ny [[Andro Taloha]]. Nifandray tamin'ny fivavahan'ny Prôtô-indô-iraniana ny fivavahan'ny Skitiana. Taty aoriana dia nisy akony teo amin'ny fivavahana sy ny [[fedrà]] slava sy hongariana ary torka izany fivavahana izany. Nisy akony teo amin'ny fomba amam-panaon'ny Iraniana tatsinana sy ny an'ny Ôsetiana koa io fivavahana io.
 
=== Ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana [[Monoteisma|mônôteista]] naorin’i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra) tany [[Persia]] tany amin’ny taonjato faha-7 tal. J.K. ka i [[Ahora Mazda]] (''Ahura Mazda'') no anaran’ny andriamaniny. Manindry mafy ny fifanoheran’ny herin’ny tsara amin’ny herin’ny ratsy ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]) i Zaratostra nefa tsy mitory fisian’andriamanitra roa mifanohitra. Fivavahana efa nisy talohan’ny [[kristianisma]] ary ny [[Finoana silamo|silamo]] sady niara-nisy tamin’ny [[jodaisma]] tamin’ny fotoan’ny [[Fahababoana tany Babilona|fahababoan’ny Jiosy]] ny zôrôastrisma.
 
=== Ny zervanisma ===
Tany [[Persia]] tamin'ny andron'ny [[Akemenida]] no nipoiran'ny [[zervanisma]] (na zorvanisma), avy amin'n anaran'ny zavatra inoany atao hoe Zorvana na Zervana, ary heverina fa nisy talohan'ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin'ny fampianarany, indrindra ny [[doalisma]]. Ny [[zervanisma]] (na zorvanisma), tamin'ny vanimpotoan'ny [[Empira akemenida]], izay manana firehana [[Doalisma|doalista]] mônista, izay nitohy tamin'ny andron'ny [[Empira sasanida]]. I Zorvàna dia hevitra fa tsy andriamanitra, foto-javatra tsy voafaritra.
 
=== Ny mandeisma ===
Ny [[mandeisma]] dia [[fivavahana abrahamika]], batista (manao batisa), mônôteista ary [[Gnostisisma|gnôstika]]. Fototry ny fampianaran'ny mandeisma ny fifanoheram-poto-javatra roa ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]) izay ahitana ny "tontolo ambony" sy ny "tontolo ambany", ny "toeran'ny fahazavana" sy ny "toeran'ny haizina", izay tsy misakana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] hiditra an-tsehatra amin'ny famoronana. Izany famoronana izany dia notohizan'ny asa maharitra ataon'Andriamanitra sy ny fanambaràna amin'ny alalan'ny "Iraky ny lanitra". Araka ny lovantsofina mandeana dia i [[Joany mpanao batisa]] izany iraka izany sady mpaminany lehibe ho an'izy ireo. Ny Mandeana dia mitsaoka an'i [[Adama (Baiboly)|Adama]], an'i[[Abela]], an'i [[Seta]], an'i [[Henoka]], an'i [[Noa]], an'i [[Sema]], an'i [[Arama (olona)|Arama]] ary indrindra an'i Joany mpanao batisa. Niadian-kevitra ny mety ho fifandraisan'ny mandeisma sy ny kristianisma tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20.
 
=== Ny fivavahana amin'i Mitra ===
Ny fivavahana amin'i [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] (''Mithra'') antsoina hoe [[mitraisma]] dia fivavahana misy zava-miafina. Ny mitraisma dia fivavahana izay tokony niseho tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia. Nivavahana tao amin'ny [[Empira rômana]] izy io tamin'ny taonjato voalohany hatramin'ny faha-4 taor. J.K. Na dia izany aza dia mampiady hevitra ny mpikaroka ny fifandraisan'ny fivavahana amin'i Mitra tao Persia sy ny tao amin'ny Empira rômana.
 
=== Ny manikeisma ===
Ny [[manikeisma]], izay fivavahana naorin'ilay [[Persia|Persiana]] atao hoe Manỳ (na Manika) tamin'ny taonjato faha-3, dia fivavahana mino ny fifamenoan'ny andriamanitra roa mifanohitra, izay mety nisy akony teo amin'ny mandeisma. Fifangaroan'ny [[Zoroastrisma|zôrôastrisma]] sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]] ny manikeisma ([[sinkretisma]]). Nandray zavatra be dia be tamin'ny [[Gnostisisma|gnôstisisma]] ny manikeisma. Ny ivon'ny fampianarany dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa ([[doalisma]]), ahitana ny fanjakan'ny Tsara (atao hoe fanjakan'ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan'ny Ratsy (na fanjakan'ny Haizina) izay anjakan'i [[Satana]]. Mino ny fisian'ny atao amin'ny teny persiana hoe ''Pīd ī Wuzurgīh'' ("Rain'ny Fahalehibeazana") (arameana: ''Abbā dəRabbūṯā'') sady manaja azy amin'ny maha andriamanitry ny fahazavana ambony indrindra azy.
 
=== Ny mazdakisma ===
Ny [[mazdakisma]] dia fivavahana [[Gnôstisisma|gnôstika]] izay niavaka tamin'ny fanafoanany ny fananan-tsamirery fa nanandratra ny fananana iombonana (mpialoha lalana ny [[kômonisma]]), izay niseho tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-5 sy ,ny fiandohan'ny taonjato faha-6. Nipoitra avy tamin'ny zôrôastrisma ny mazdakisma. Avy amin'ny anaran'ilay mpiaro azy io anarana io, dia i Mazdaka (''Mazdak'').
 
=== Ny iazdanisma ===
Ny [[iazdanisma]] dia fivavahana mônôteista efa nisy taloha, manao fanompoam-pivavahana amin'ny [[anjely]] (''iazdâny''), izay narahin'ny [[Korda (vahoaka)|Korda]] talohan'ny niitaran'ny tany fehezin'ny [[Arabo (olona)|Arabo]] tamin'ny taonjato faha-7 sy ny talohan'ny nanovana azy ireo ho [[Finoana silamo|Silamo]]. Ny iazdanisma dia mampianatra ny fahaterahan'ny zavamananaina indray miaraka amin'ny [[Fanahin'ny vatana|fanahin]]'ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin'ny [[hindoisma]], ary mino ny anjely fito izay miaro an'izao tontolo izao amin'ny devoly na demony fito.
 
== Fivavahana tao Iràna tamin'ny Andro Antenantenany ==
== Jereo koa ==
 
=== Ireo fivavahana ao Iràna taty aoriana ===
 
==== Fivavahana tao Iràna tamin'ny Andro Antenantenany ====
 
* [[Finoana silamo]]
Ligne 40 ⟶ 38 :
* [[Iarsanisma]]
 
==== Fivavahana ao Iràna ankehitriny ====
 
* [[Babisma]]