Antarktika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
I '''Antarktika''' dia ny [[tendrotany]] atsimo amin'ny Tany sy ny manodidina azy. ''Antarktika'' koa ny anaran'ny kontinenta misy ny tendrontany atsimo. Ny hovelabelarina ato amin'ity lahatsoratra ity dia ilay tondro ata-jeografia sy ny zava-drehetra mikasika an'i Antarktika, hatrany amin'ny fiheverana ny fisiany (tamin'ny [[Andro Taloha]]) hatramin'izao fotoana izao.
 
I Antarntika dia [[kontinenta]] iray any atsimon'ny Tany manana velarantany 14 tapitrisa km<sup>2</sup>. Ny habeny dia mbola kely noho i [[Azia]], i [[Afrika]] na i [[Amerika]]; i [[Eoropa]] sy i [[Oseania]] ihany no kely noho izy. 98%n'ny velarantaniny dia [[ranomandry]] manana hatevina 1 600 metatra, izay no tsy ahafantarana ny endriky ny ambanitaniny, fantatra fotsiny ankehitriny fa misy [[tandavan-tendrombohitra]] sy farihy ambanin-dranomandry ny ao, ohatra ny [[farihy Gamburtsev]].
 
I Antarktika dia ilay kontinenta mangatsiaka, maina ary be rivotra indrindra eto an-tany; maina satria latsaky ny 200 mm ny rotsak'orana eo amin'ny morontsiraka (ary mbola latsak'izany ny rotsak'orana any amin'ny faritra afovoany).
Andalana faha-10:
Tsy misy mponina tera-tany i Antartika ary ny mipetraka any amin'izao fotoana izao dia siantifika ny ankamaroany. Voninkazo mahazaka ny hatsiaka sy ny aizaina ary ny hamaina ihany no miaina any miaraka amin'ny karazam-borona sy trondro ary biby mampinono ihany no any.
 
Ny teny hoe ''Antarktika'' dia avy amin'ny [[fiteny grika]] ''ἀνταρκτικός'' / ''antartikós'', izay midika hoe "mitohina amin'i Arktika". Tamin'ny 1820 ilay kontinenta no hita voalohany ary ny tafika rosiana nentin'i [[Mikhaïl Lazarev]] sy i [[Fabian Gottlieb von Bellingshausen]] no nahita azy. Tsy dia nahaliana olona firy ilay kontinenta noho ny tsy fisian'ny [[harena an-kibon'ny tany]] sy ny tontolo tsy azo iainana ary ny fitokana-moniny.
 
Araka ny [[fifanekena momba an'i Antarktika]] nosoniavin'ny firenena roa ambin'ny folo tamin'ny taona [[1959]] sy narahan'i [[fifaneken'i Madrid]] tamin'ny taona 1991 dia manana sata manokana i Antartika: tsy azo anaovana hetsika ara-miaramila any, sady tsy azo alaina ny harena an-kibon'ny tany raha tsy momba ny fikarohana ara-tsiansa no tanjony.
 
== Jereo koa ==